Mois : juin 2024

Basikety – Mada N1A vehivavy: resin’ny GNBC Analamanga ny Ascut Toamasina

Nanomboka ny sabotsy teo, tao amin’ny Kianja mitafo Soavita Toamasina ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny basikety N1A, lehilahy sy vehivavy. Raha ny vokatra teo amin’ny andro faharoa, natao omaly, nisongadina ny fandresen’ny GNBC Analamanga ny Ascut Toamasina, ho an’ny vehivavy. Resin’izy ireo tamin’ ny isa, 66 no ho 46 ny tompon-jaridaina. […]

Rugby – «XXL Top 12»: nomontsanin’ny Tam Anosibe ny 3FB

Nitohy omaly, tetsy amin’ ny kianja Makis Andohata­penaka, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Nomontsanin’ny Tam Anosibe, tamin’ny isa mazava 34 no ho 18, ny 3FB ekipan’ny minisiteran’ny Faha­salamana. Nanjaka tokana ny Tam ary toy ny nanaovan’izy ireo fanazaran-tena fotsiny aza ireo mpifanandrina […]

DAKA AN-JORONY: tsy lava tanana hana­katra na avo feo hiantso

Na eo aza ny fiandrasan’ny rehetra ny valim-pifidianana izay ho solombavambahoaka, hifantoka any Afrika Atsimo kosa ny sain’ny besinimaro amin’ity herinandro ity. Afaka dimy andro, hiakatra kianja ny Barea de Madagascar, hiatrika ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026». Efa any an-toerana ny mpilalalao. Toy ny rafotsibe […]

Kitra – “Telma Coupe 2024”: tafita amin’ny manasa-dalana ny Inate FC Rouge sy ny CFFA

Tontosa, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Telma Coupe 2024”. Efa any amin’ny dingana manaraka ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Inate FC Vakinankaratra. Efa fantatra, ny faran’ny herinandro lasa teo, ireo ekipa roa tafita voalohany amin’ny dingan’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny amboa­ran’i Madagasikara, “Telma Coupe 2024”, […]

Sombim-baovao

Lavo teo amin’ny lalao famaranana amin’ny fidirana ho mpitantara baolina kitra ao amin’ny Canal+, ilay Malagasy, Rakoto Arnaud, ny zoma alina teo. Resin’i Alek­sandre Araujo ny tenany. Tsiahivina fa i Christophe Jallet no niaraka nitantara baolina taminy nandritra ny lalao izay nihaonan’ny Paris Saint Germain sy ny Newcastle FC. Araka […]