Dimy andro no tsy maintsy hamitan’ny sampana mpanisa vato (SRMV) ny asany, ary manana folo andro aorian’izay, hamoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ny Ceni. Araka izany, tombanana amin’ny 8 jona ny voka-pifidianana vonjimaika. Alohan’ny 26 jona, amin’ny 24 jona, kosa no mety hanambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny voka-pifidianana […]
Mois : juin 2024
fihaonana an-tampony “Corée-Afrique” : handray anjara i Madagasikara
Hanainga anio sabotsy 1 jona, hihazo an’i Séoul, renivohitr’i Korea Atsimo, ny filoha Rajoelina Andry, sy ramatoa vadiny, hanatrika ny fihaonana an-tampony « Corée – Afrique » izay hatao ny 4 sy 5 jona ho avy izao . Fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-politika, diplomatika ary ara-toekarena eo amin’i Korea sy ireo firenena afrikanina […]
Mahantra fisainana
Vita izay ny resa-pifidianana, hivalona ny herinandro. Ny vokatra sy ny ho fiantraikan’izany amin’ny politika no sisa andrasana. Iaraha-mahalala rahateo fa misy ny faritra izay manomboka mihetsiketsika, manohitra ny heverin’izy ireo fa tsy rariny. Nisy ny nandoro biraom-panjakana. Maro ny efa mimenomenona sy mitady hirika na ny mpanohitra na […]
Fifidianana solombavambahoaka : naneho ny heviny ny vondrona iraisam-pirenena
Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo vondrona iraisam-pirenena, nanara-maso ny fifidianana teto Madagasikara. Tao anatin’izany no nitondran’izy ireo fanitsiana mahakasika ny lesoka hitany nandritra izany fifidianana izany. Nanatanteraka fanambarana teny amin’ny Novotel Ivandry ny avy amin’ny Sadc sy ny OIF ary ny Vondrona afrikanina, omaly. Mahakasika ny fahitan’izy ireo ny fifidianana solombavambahoaka […]
TSELATRA
Nodoran’ny olona omaly ny biraon’ny Ceni ao amin’ny distrikan’i Tsihombe. Voalaza fa noho ny hatezeran’ireo andian’olona sasany tsy nankasitraka ny voka-pifidianana tany an-toerana no anton’izao. Niparitaka teny ivelan’ny trano avokoa ny antontan-taratasy rehetra momba ny fifidianana, tany an-toerana. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity. […]




