Mois : juin 2024

Lakana nivadika : olona dimy maty, telo hafa mbola karohina

Olona dimy, indray namoy ny ainy raha telo hafa kosa mbola karohina hatramin’ny omaly, araka ny tatitra nampitain’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Am­ba­tondrazaka momba ny fivadihan’ny lakana tao amin’ny distrikan’Amparafaravola, ny alarobia teo. Niala tao Ana­latsivaha, fokontany Ambohi­mahavelona, kaominina Ano­roro, Amparafaravola, nikarama nitondra vary ny lakana roa niaraka tamin’ny […]

Toamasina : mpangalatra posiposy nodarohin’ny fokonolona

Nifanenjehan’ny fokonolona, vaky vava vokatry ny daroka ny lehilahy nangalatra posiposy tao Morafeno, Toamasina, omaly. Roa lahy niaraka naka io fitaovam-pitanterana be mpampiasa ao an-toerana io. Tsikaritry ny manodidina anefa ny fihetsik’ireo roa lahy. Nentin’ny iray nandositra ny posiposy. Tetsy ankilany, nifanenjehan’ny fokonolona ka tratra teo amin’ny toerana tsy lavitra […]

Hanatitra voka-pifidianana : sefo fokontany maty tampoka teny an-dalana

Namoy ny ainy teny an-dalana, raha handeha hanatitra voka-pifidianana ny sefo fokontany iray, omaly. Voalaza fa matin’ny aretim-po izy. Nijanona tampoka ny fitempon’ny fony, na­moy ny ainy ny sefo fokontany ao  Ampatakana, kaominina Manampaneva, distrikan’ i Mandritsara, omaly. Namita ny asany nandritra ny fotoam-pifidianana izy. Hanatitra ny voka-pifidianana io lehibena […]