Le ministère des Affaires étrangères, de la Coopération africaine et des Marocains résidant à l’étranger, a annoncé que Sa Majesté le Roi Mohammed VI, président du Comité Al Qods, a donné ses très Hautes Instructions pour déployer une opération humanitaire d’aide médicale, en faveur de la population palestinienne de Gaza. […]
Mois : juin 2024
Taratry ny kanto
Mifarana anio ny fampirantiana « Firenena sy ny hery fiarovana sy filaminana », tanterahina ao amin’ ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo. Tratra ny tanjona, amin’ny ankapobeny, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Maro no tonga nitsidika ny fampirantiana, indrindra ireo tanora sy mpianatra, izay tena nokendrena hahafantatra ny mahakasika ny hery fiarovana sy filaminana. Tanterahina anio […]
Hetsiky ny LMK Hiragasy goavana eny Bemasoandro
Hanao hetsika ho amin’ny fanohanana sy fanampiana ny ao aminy ny sampana eo anivon’ny fiangonana katolika etsy Bemasoandro. Mikarakara seho hiragasy ny eo anivon’ny Lehilahy misionera katolika (LMK), eny amin’ny fiangonana katolika (Ekar) Bemasoandro, Itaosy. Hifanandrina amin’izany ny tarika Raveloson Jean Ba avy any Arivonimamo sy ry Sahondrafinina zanany avy […]
Lalao Echec – Afrique 2024: tompondaka lefitra i Nivo Hasina
Fararanom-bokatra ny fanatanjahantena malagasy, tamin’ ny faran’ny herinandro teo. Nentin’i Tsinjoviniavo Nivo Hasina ambony be indray ny lazan’i Madagasikara.Voahosotra ho tompondaka lefitra eto Afrika, ho an’ny sokajy zandriny U10, teo amin’ny lalaon-tsaina Echec, indray mantsy ny tenany. Fihaonana natao tatsy Afrika Atsimo, ny 16 ka hatramin’ny 21 jona lasa teo. […]
Baolina kitra – «Euro 2024»: saro-toerana ny ekipan’i France
Tsy mbola tafita amin’ny ampahavalon-dalana i France, ao amin’ny sokajy «D», eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Euro 2024». Fihaonana tanterahina any Allemagne. Hiankina amin’ny lalao anio no hahalalana ny tohin’ny dian’izy ireo. Tsy manana afa-tsy isa 4 mantsy ny frantsay hatreto. Tranga maromaro no mety […]




