Mois : juillet 2024

Loholona Rabetsaroana Sylvain: “Mametraka ho ambony ny fahaiza-manao ny filoha”

Niresaka tamin’ny mpanao gazety momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ny loholona Rabetsaroana Sylvain, omaly. Nambarany tamin’izany fa iray ihany ao anatin’ny fahasamihafana ny Malagasy. “Noporofoin’ny filoham-pirenena fa iray ihany isika ma­noloana ny resabe momba ny fifandanjana isam-paritra”, hoy izy. Nanteriny fa tsy ma­navaka ary tsy mifidy na iza na iza […]

TSELATRA

Niakatra fampanoavana tao Arivonimamo, omaly, ny mpamilin’ilay fiara 4×4 sy Mazda voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ireo telo mianaka nandeha bisikileta. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana raha teny an-dalana ho eny amin’ny hopitaly kosa no namoy ny ainy ny renim-pianakaviana mitondra vohoka sy ny zanany kely iray. Raikitra ny fifanjevoan’ny fokonolona […]

Talata Volonondry : mpamaky trano efatra naiditra am-ponja

Efa nisazy intelo tany am-ponja ny iray tamin’ireo mpamaky trano efa-dahy voasambotry ny zandarimaria tao Ambaniatsimo Antampontsena, kaominina Talata Volonon­dry, ny 14 jolay teo. Mateti-pitranga ny fahavakisana trano ao an-toerana ka nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana. Niara-nifanome tanana tamin’izy ireo rahateo ny fokonolona izay efa leo ny hala-boty. Sarona, nandritra […]

Fanondranana antsokosoko: Sokatra 5 383 tratra tao anatin’ny fito volana

Miseholany ny tranga fihazana sy fanondranana biby arovana. Sokatra maherin’ny 5 000 no sarona nanomboka ny volana janoary teo. Mitotaly 5 383 ny isan’ny sokatra sarona na­nom­boka ny volana janoary teo hatramin’ity volana jolay 2024 ity, araka ny antontanisa navoakan’ny Turtle Survival Alliance na TSA Madagasikara, izay fikambanana tsy miankina […]