Nitsidika tany Sina sy nandray anjara tamin’ny fifanakalozana ny mpanao gazety sy tomponandraikitra amin’ny serasera 20 avy eto Madagasikara, ny 14 ka hatramin’ny 27 jona lasa teo. Hetsika efa fanao ny fanasana mpanao gazety amin’ny firenena maromaro ho any Sina anatin’ny fandaharanasa fiaraha-miasa, fa tamin’ity taona ity, natokana ho an’ny […]
Mois : juillet 2024
Sendika ST MEETFP : “Hamafisinay ny fepetra ho an’ireo ho minisitra”
“Miantso ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra izahay amin’ny fisafidianana ireo ho minisitra misahana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa”, hoy ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (ST MEETFP). Nohamafisin’izy ireo ny antso avo efa nataon’ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena miasa amin’ ny sehatry ny […]
INDRAY MIJERY
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy lasa teo, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina ny andiany fahenina amin’ny Forum Mini-basket, izay karakarain’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB) sy ny Fiba Afrika. Miisa 365 isa ireo ankizy tonga nanatrika izany teny an-toerana. Hiatrika ny fifaninanana Davis Cup vondrona “V”, izay hatao any Gaborone […]
Playout PFL : hifanandrina amin’ny CFFA ny Mama Fc
Hotanterahina eto an-drenivohitra, anio, ny andro faharoan’ny fifaninanam-pirenena hahafantarana ireo ekipa roa midina any amin’ny diviziona faharoa, “Playout Coca-Cola PFL”, ho an’ireo kaonferansy roa, avaratra sy atsimo. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Mama Fc, izay samy miray vondrona ao amin’ny Kaonferansy Atsimo. Hatao eny […]
Kylian Mbappé : lasan’ny Real Madrid tanteraka
Notanterahina, omaly, tao amin’ny kianja Santiago Bernabeu Espagne, ny lanonana fandraisan’ny Real Madrid an’i Kylian Mbappé, Frantsay mpilalao baolina kitra. Nahatratra 80 000 ny olona tonga nanatrika izany tao an-kianja. Niavaka tanteraka ny fandraisan’ity klioba espaniola ity an’i Mbappé. Anisan’izany ny fampisehoana horonantsary fohy izay mirakitra ny tantaran’ity kalaza frantsay […]




