Mois : juillet 2024

Masinina haingam-pandeha

  Miridana tsy misy ohatran’izany ny raharaham-pire­nena. Milomay mafy ny fametrahana ny olona hibaiko sy hitondra firenena. Poa toy izay, voarafitra ny birao maha­ritra ao Tsimbazaza. Tsy niandry ela ny fanendrena izay ho Praiminisitra. Ary anatin’ny fotoana fohy dia hiseho masoandro ny mpikambana anaty governemanta. Misy dikany politika goavana izany […]

Fanohizana ny asa vita : mbola praiminisitra i Ntsay Christian

Mbola notendren’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ho praiminisitra, i Ntsay Christian. Nambarany fa hotohizana ny dingana vita sady nahafeno ny masontsivana napetraka ity lehiben’ny governemanta ity. Nambaran’ny filoha, Rajoelina Andry, teny Iavoloha, tamin’ny nandraisany ireo depiote maro anisa nanolotra ny anarana praiminisitra fa hanamafy ny hafainganam-pandeha isika izao. Mifanaraka amin’izany […]

TSELATRA

Lehilahy iray maty tsy tra-drano niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Soavinimerina Avaradrano, omaly. Tafiditra tao ambany kodiarana havian’ny kamiao izy ka potika tanteraka ny moto nentiny. Naiditra am-balam-pamonjana avokoa ny omby 42 tsy nahitana taratasy ara-dalàna tao amin’ny raim-pianakaviana iray ao Beraketa, distrikan’i Bekily, omaly. Nosavaina ny antontan-taratasin’omby ka hosoka avokoa ny […]

Petite Vitesse : Tsena iray levon’ny afo

Tsy nisy noraisina ny entana! Nitrangana firehetana tao amin’ny tsena fivarotana (box) iray ao amin’ny tsenan’ny Petite Vitesse, ny alakamisy alina teo. Fotoana fohy taorian’ny firehetana, tonga teo an-toerana namono ny afo ny mpamonjy voina. Haingana ny fifehezan’izy ireo ny afo ka tsy niitatra tamin’ireo tsena manodidina. Somary nananosarotra ny […]

Toamasina : mpitondra posy nivadika ho jiolahy

Mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Anisan’ireo miray tendro sy manao asan-jiolahy ny ankamaroan’ireo mpitondra posy bisikileta izay karazam-pitaterana mihamaro ao Toamasina, ankehitriny. Lasa fitaovana fampiasan’ny jiolahy sy/na hanaovana asa ratsy ireny posy bisikileta ireny amin’izao fotoana izao. Mpitondra posy iray no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria […]