Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “Euro 2024”. Fihaonana hatao rahampitso alahady, ao amin’ny kianja Olympia stadion ao Berlin. Hiady izany ny La Furia Roja Espagne sy ny Three Lions Angleterre. Fanindroany amin’izao ny anglisy no hiatrika ny famaranana amin’ny […]
Mois : juillet 2024
Rugby : mpanazatra 7 lahy niofana
Notanterahina ny alarobia sy ny alakamisy lasa teo, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiofanana ho an’ ireo mpanazatra manana ny fahaizana “niveau 2”. 7 mirahalahy izy ireo, avy amin’ny klioba “federal 2”. Nitarika sy nampiofana kosa i Mohamed Sharaoui, manam-pahaizana avy amin’ny World Rugby. Mbola karazana tombana ity natao […]
“Coca-Cola PFL” : hanala vela amin’ny Cosfa ny Ajesaia
Hotanterahina rahampitso avokoa ny lalaon’ny andro voalohany ho an’ny fifanintsanana “Playout Coca-Cola Pureplay Football League”. Kianja roa no handray ny lalao, eto Antananarivo, amin’izany. Hotontosaina eto an-drenivohitra, rahampitso, ny andro voalohan’ny fifaninanam-pirenena hahafantarana ireo ekipa roa midina any amin’ny diviziona faharoa, “Playout Coca-Cola PFL”, ho an’ireo kaonferansy roa, avaratra sy […]
Jean Nirina R: « Tsy tokony hiandry fanjakana vao hiasa… »
Nifarana omaly ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny lefakozatra, andiany faharoa, tamin’ity taona ity. Naharitra efatra andro ny hetsika niarahana tamin’ireo mpisehatra momba ny fahasalamam-bahoaka. Tsy diso anjara tamin’izany ny teo anivon’ny fokontany Anosizato Atsinanana. « Mbola misy ny lefakozatra ka tsy tokony hatao antsirambina ny fahasalaman’ny ankizy », hoy ny sefo fokontany Anosizato Atsinanana, […]
Vovonana CommCare: hanamora ny angom-baovao mahakasika ny sehatra ara-pahasalamana
Vovonana manokana ahitana ny vaovao mahakasika ny lafiny ara-pahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny CommCare. Nampahafantarina, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny fisian’ny vovonana antsoina hoe CommCare. Natao hanampiana sy hanamora ny fanangonam-baovao sy fanaovan’ny mpiantsehatra eny ifotony ny tatitra mahakasika ny sehatra ara-pahasalamana. Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka […]




