Vaovao avokoa ny ankamaroan’ny solombavambahoaka voafidy eo anivon’ny Antenimierampirenena, hitondra mandritra ny dimy taona manaraka. Nitombo 163 ny isan’izy ireo manerana an’i Madagasikara. Nivory nametraka ny lamina sy ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena izy ireo. «Rariny ny ametrahana io fitsipika mifehy ny ao anatiny io alohan’ny fifidiana ireo birao […]
Mois : juillet 2024
INDRAY MIJERY
Hozaraina anio eny Anosy ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny UNFPA momba ny mponina maneran-tany. Hisongadina manokana ny tatitra momba ny mponina aty amin’ny ranomasina indianina ahitana an’i Madagasikara. “Atsahatra ny tsy fitoviana misy amin’ny fananahana ara-pahasalamana sy ny zo mifandraika amin’izay”, io no lohahevitra noraisina. Nifanakalo traikefa sy niady hevitra mikasika […]
Vokatry ny rivodoza : olona 90 000 voatery nifindra monina
Nisy ny fanadihadiana momba ny fifindra-monina nataon’ny mponina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza roa, Batsirai sy Emnati, nandritra ny fotoam-pahavaratra 2022-2023. Nisahana ny fanadihadiana teny ifotony ny Organisation internationale pour les migrations (OIM), niaraka amin’ny fanohanan’ny BNGRC ary nisy andiany efatra ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany, hoy ny tomponandraikitry […]
Kalitaon’ny sakafo : miara-miasa ny minisitera sy ny FAO
Nanao soniam-piaraha-miasa tetsy Ambohidahy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Organisation des nations unies pour l’alimentation et de l’agriculture (FAO), omaly. Tetikasa haharitra roa taona, hamafisina ny fanaraha-mason’ny kalitaon’ny sakafo sy hanatsarana ny fiarovana ny sakafo eto Madagasikara. Tanjona ny hisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo eo amin’ny vahoaka malagasy. “Zava-dehibe ny resaka sakafo […]
Taona 2023 : 17 000 ireo mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida
Mila hamafisina amin’ny sokajin’olona rehetra mihitsy ny fanentanana hanao fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida manomboka izao. Misy ireo mitondra ny tsimokaretina mandehandeha eny, tsy mahafantatra ny toe-tenany akory, mamindra…. Fantatra nandritra ny atrikasa natao teny Anosiavaratra, omaly, fa miisa 17 000 ireo olona voaporofo tamin’ny alalan’ny fitiliana fa mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida […]




