Mois : juillet 2024

Fivahinianana Masina: nentina am-bavaka tany La Mecque i Madagasikara

Miisa 40 ireo Malagasy nia­trika ny fivahinianana Masina natao tany La Mecque, any Arabie Saoudite, herinandro vitsy lasa izay. Anisan’ireo voafidy sy voasa manokan’ny mpikarakara ny lefitry ny lehiben’ny fonjan’i Tsiafahy, i Char­les Arnaud Ioussouf. Namba­rany amin’izao andro voalo­han’ny kalendrie silamo izao fa zava-dehibe amin’ny fitsinjovana ny hoavin’ny olombe­lona mino […]

Chine- Afrika: Hifantoka amin’ny sehatr’asa fampandrosoana

Nifarana omaly, ny fihaonambe faha-5 momba ny fiaraha-miasa eo amin’i Chine sy Afrika mahakasika ny fitsijaram-pahefana sy ny fampandraisana anjara ny vondrom-bahoaka-paritra itsinjaram-pahefana, natao tany Chine. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny fitondram-panjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny delegasionina, notarihin’i Ntsay Christian. « Mafy orina ny fifandraisana sy fiaraha-miasa misy eo amin’i Sina sy […]

Fanoherana ny fitondrana: Misokatra ho amin’ny fampitambaran-kery ny MMM

Nivoaka amin’ny fanginany ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga (MMM). Nambaran’ny birao politika fa mijanona hatrany ho mpanohitra izy ireo. Nitondra fanazavana ny toeran’ny MMM manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny birao politika, ny Me Ramilison Toky. Nambarany fa vonona handray anjara amin’ny fifidianana ben’ ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna […]

Hiffim : “Mila zava-baovao ny vahoaka”

“Mila zava-baovao ny va­hoaka malagasy, mila fihetsiky ny filohan’ny Repoblika mampiseho fitaratra vaovao hahatonga ny olona havitribitra handeha any amin’ny fampandrosoana”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andria­miseza Alain, momba ny fa­nanganana governemanta vaovao. Endrika vaovao hitondra ho amin’ny […]

Antenimierampirenena: nafana ny adihevitra momba ny fitsipika anatiny

Andrasana anio, ny ho fanapahan’ny HCC na mifanaraka na tsia amin’ny Lalàmpa­norenana ny fitsipika anatiny, novolavolain’ireo depiote. Hirosoana avy hatrany ny fifidianana ny filohan’ny Anteni­mierampirenena sy ireo ho filoha lefitra isam-paritany ary koa ny toeran’ny filoha lefitra fahafito, ho an’ny mpanohitra. Tahaka izany koa ny fifidia­nana ireo ho filoham-baomiera. Manampy […]