Mois : juillet 2024

Lasibatra hatramin’ny mpiara-mivavaka : voasambotra ilay mpisoloky vola an-tapitrisany

Tra-tehaky ny zandarimaria miasa ao amin’ny tobim-paritra Antananarivo Ville, ao Betongolo, ny lehilahy iray mpisoloky vola an-tapitrasa, 10 jolay teo. Nilaza ho mahatafiditra olona miasa ao amin’ny orinasa, nangalan’io mpisoloky io vola avokoa ireo olona rehetra naniry hanao ilay asa sy nametraka fitokosina taminy. Tsy vitan’io, nanome toky tompona fiara […]

Mananara Avaratra: ankizilahy 16 taona tratra nangalatra moto

Voasambotry ny zandarimaria miasa ao amin’ny Zana-tobim-paritra zandarimaria ny ankizilahy tsy ampy taona nangalatra moto tao Sandrakatsy, kaominina Antanambe, distrikan’i Mananara Avaratra, ny 9 jolay teo. Napetran’ny tompony teo an-tokotany tao Ambodisatrana anatin’ny kaominina io moto manana tanjaka motera 125 cc io ny alatsinainy 8 jolay. Nanjavona tampoka tsy teo […]

Ambanidia: Trano fivarotan-tsaribao kila hotohoton’ny afo

Nijoalajoala indray ny afo teny Faliarivo Ambanidia, omaly tolakandro. Kila hotohoton’ny afo ny trano fivarotana saribao iray… Trano fivarotana saribao ity kila hotohoton’ny afo ity. Hatairana ny an’ireo mponina teo amin’ny manodidina raha nahita ny afo niainga avy ao amin’ity trano fivarotana saribao sy kitay ity. « Tsy nampoizinay mihitsy ny […]