Laharam-pahamehana amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) ny ady amin’ny trafika sy ny fiarovana ny harena voajanahary. Namintina ny zava-bita sy ny hatao manaraka ny minisitry ny Tontolo iainana, Max Andonirina Fontaine, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny nisongadina tamin’ny tatitra ny mahakasika ny ady amin’ny trafikana zava-mananaina (biby sy zava-maniry), toy […]
Mois : juillet 2024
Afafi Fahasalamana : azo aloa amin’ny finday ny saram-piantohana
Natao sonia ny 3 jolay teo ny fifanarahana fiaraha-miasan’ny orinasa Airtel Money sy ny fikambanana Antoka ho an’ny fahasalaman’ny fianakaviana (Afafi). Azo aloa amin’ny finday, amin’ny alalan’ny Airtel Money ny fanonerana ny fiantohana ara-pahasalamana ho an’ny mpikambana Afafi. Mitovy ny fijerin’ny roa tonta, satria «tanjona ny hanamorana ny fahazoan’ny tsirairay […]
Taona 2023 : 99,8% ny tahan’ny fanaovam-baksiny polio
Ny taona 2023, nisy andiany efatra ny fanaovam-baksiny hiarovana amin’ny aretina poliomelita. 5 tapitrisa mahery ny ankizy vao teraka hatramin’ny 59 volana nahazo ny fatra tamin’izany, ka nahatratra 99,8% ny tahan’ny fahavitam-baksiny. “Ho an’ny andiany voalohany, tamin’ity taona ity, ny 14-17 mey lasa teo, 13 268 649 ireo ankizy latsaky ny 15 […]
Antananarivo sy ny manodidina ; Ezahina havoaka amin’ity herinandro ity ny valin’ny BEPC
Efa saika namoaka ny valim-panadinana BEPC avokoa ny fari-piadidiam-pampianarana rehetra eto amin’ny Nosy. Andrasana hivoaka amin’ity herinandro ity kosa ny an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa namoaka ny valim-panadinana BEPC ny fari-piadidiam-pampianarana 43 manerana ny Nosy. Anisan’izany, Ambanja, Ambatolampy, Anjozorobe, Ambatomainty, Ambohidratrimo, Andramasina, Ankazobe, Manjakandriana, Antanifotsy, Betafo, Faratsiho, Antsalova. […]
Fahantrana : tsy resahina mihitsy ny kolontsaina
Ilay fiheverana fa ny rindrankira eny an-tsehatra ihany no atao hoe kolontsaina no mitondra hevi-diso hatramin’izao. Raha ny voalazan’ny mpahay tantara, anefa, nialoha ny nampiasain’ny vahiny ny basy aman-tafondro, ny kolontsaina no nopotehany. Noho izany, raha te hiala amin’ny fahantrana sy ny habadoana lalina, mila haverina amin’ny laoniny ny kolontsaina […]




