Mois : juillet 2024

Fanadinana bakalorea : Tany Manjakandriana ny minisitra

Bakalorea tsy misy tomika no fanambin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hanatrarana izany tanjona izany indrindra no anaovana ny fitsidihana eny ifotony ka nandehanana tany amin’ny ivontoeram-panadinanana any Manjakandriana. Nanome toromarika ireo tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana ny minisitra Ravokatra Fidiniavo. Nijery ny fahatomombanan’ny fotodrafitrasa sy ny fahavitrihan’ireo […]

Sehatrasa fito nohadihadiana : misy fiantraikany ratsy sy tsara amin’ny zon’ny ankizy

Misy fiantraikany ratsy sy tsara amin’ny zon’ny ankizy ny sehatrasan’ny orinasa nohadihadiana, fa tokony hiezaka hampitombo ny vokatra tsara izy ireo, hoy ny tomponandraikitry ny sehatra tsy miankina ao amin’ny Unicef, Rafidimaharo Miary Nanao fanadihadiana teny anivon’ny orinasa tsy miankina miisa 40 amin’ny sehatrasa fito (fambolena, fizahantany, orinasa mpikirakira lamba…) […]

JIC 2024: antoka ho an’ny fampandrosoana ny kaoperativa

Mifamatotra tanteraka ny kaoperativa sy ny taninketsa indostrialy izay mpamokatra voalohany ny akora manodina ny orinasa One district one factory (ODOF). Tanjona apetraky fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ ny Fampiroboroboana ny in­dostria sy ny varotra (MIC), ny hanatsara ny fiainan’ny tan­tsaha mikambana ao anatina kaoperativa. Laharam-pahamehan’ny fanjakana rahateo ny fanavaozana ny […]

Tao anatin’ny dimy volana: mpizahatany 78 066 tonga teto amintsika

Manomboka mahazo aina ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Mahatratra 78 066 ireo mpizahatany tonga teto amintsika nandritra ny dimy volana voalohan’ny taona 2024. Niakatra io antontanisa io raha oharina ny tamin’ny dimy volana voalohan’ny taona 2023 izay 63 078. Na izany aza, mbola vitsy izany raha oharina ny tamin’ny taona 2019 […]