Tanjon’ny fanjakana ny hisarihana mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny taona 2028, raha 350 000 ny taona 2023 teo. Nambaran-dRamakavelo Faly, mpahay toekarena sady mpandraharaha, fa « azo tratrarina tsara io tanjona io, satria mbola malalaka ny tsena ho antsika eto Madagasikara amin’ny fizahantany. Raha raisina ohatra ny atsy Maorisy, tsy misy afa-tsy […]
Mois : juillet 2024
Anosibe Ifanja : tobim-pamokarana herinaratra
Notokanana ny sabotsy 6 jolay teo ny tobim-pamokarana avy amin’ny masoandro any amin’ny kaominina Anosibe Ifanja, distrika Miarinarivo. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo sy ny orinasa WeLight Madagascar, ao anatin’ny fiaraha-miasa 3P. Manana tanjaka 33 KC ity fotodrafitrasa ity, ampiasana bateria 82 Wh. Miasa mamatsy […]
Famonoam-balala : Velaran-tany 6 000 ha ho tondrahana fanafody
Misy ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana amin’ny Tafika malagasy hamongorana ny andiam-balala. Ampiasaina ny angidimby. Mamaramparana ny fotoana famonoam-balala ny Ivontoerana famonoana valala eto Madagasikara (IFVM) eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ao anatin’ny fandaharanasa Defis. Miara-miasa amin’izy ireo koa ny minisiteran’ny Foloalindahy. Nanainga ny […]
INDRAY MIJERY
Cisco maromaro manerana ny Nosy no efa namoaka ny voka-panadinana BEPC ny faran’ny herinandro teo. Nisantatra izany ny Cisco an’Andramasina izay nahitana vokatra 74,16%. Hatry ny omaly, manodidina ny 20 ny Cisco efa nahatafavoaka ny vokatra. Hitohy amin’ity herinandro ity izany. Tsindrindaona ireo tanora nanala fanadinana. Nitsidika ireo mpiasam-panjakana tany […]
Think Equal : Beazina hahaleo tena dieny mbola kely ny ankizy
Manomboka ny faha-3 hatramin’ny 9 taona ny ankizy no mora mandray kokoa ny fanabeazana. Fikambanana misahana izany ny Zazakely Sambatra, niorina teto Madagasikara, nanomboka ny taona 2004. Tanjona ny hampivelarana dieny mbola kely ny ankizy, mba ho afaka mamolavola ny hoaviny. Misy ny paikadim-panabeazana «Think Equal», miainga amin’ ny fampivelarana […]




