Mois : juillet 2024

Tsy miankina… tsy fiankina

  Mahabe adihevitra amin’izao ny toeran’ny tsy miankina eny amin’ny Antenimierampirenena? Eny, na mazava izao aza fa misy ny fahazoana maro anisa feno sy tanteraka. Mby amin’ny filazan’ny mpandinika iray izay hoe na ho any amin’ny fanoherana aza izy ireo, tsy hanova inona firy. Raha tsy hoe hiandany any amin’ny […]

Antenimierampirenena : mivoaka tsikelikely ny anaran’ izay ho filoha ao Tsimbazaza

Mandeha ny kajikajy! Efa miparitaka ny anaran’izay ho filohan’ny Antenimerampirenena. Toraka izany, ny handrafitra ny birao maharitra sy ny filoham-baomiera. Hivory manokana ny talata 9 jolay izao, araka ny voalazan’ny lalàna, ny Antenimierampirenena. Hia­trika izany ireo depiote miisa 163, vao nofidiana ny 29 mey lasa teo. Vaindohan-draharahan’izy ireo ny fifidianana […]

TSELATRA

Tratra teo am-pangalarana takelaby mpanome herinaratra mipetaka amin’ireo andrin-jiro amoron-dalana eny Andohatapaneka ny jiolahy iray, ny faran’ny herinandro teo. Ireo polisy manao fisafoana amin’iny faritra iny no nahatratra azy nivimbina ireo takelaby ireo. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Namoy ny ainy ny adala iray tao […]

Ambohitrimanjaka : Jiolahy tratra teo am-pangalarana moto

Soa ihany fa haingana ny fahatongavan’ny zandary, raha tsy izany matin’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray tratra teo am-pangalarana moto, tao amina tokantrano iray eny Ambohitrimanjaka, ny sabotsy hariva teo. Nipetraka teo an-tokotany ny moto iray ka nidiran’ireo jiolahy ary saika havoakany tao. Tsika­ritry ny tompony anefa ny fidiran’ireo olon-dratsy satria […]

Nahazo 24 tapitrisa Ar: Adjidà sandoka tratran’ny zandary

Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray nisoloky ho mahatafiditra tanora ho mpitandro filaminana, tao  Antanakoro, distrikan’i  Mananara Avaratra, ny 29 jona teo. Efa nahazo lelavola 24 tapitrisa Ar tamin’ny alalan’ny fisandohana andraikitra izy. Nipetraka tao amin’ny vehivavy iray, tao amin’ny fokontany Androkaroka io lehilahy io, ny avril 2023 lasa teo. […]