Tafaverina miasa ny fiaramanidina iray an’ny kaompania Madagascar Airlines rehefa nandalo fanamboarana. Mitotaly efatra ankehitriny ny fiaramanidina am-perinasa. Tafiditra ao anatin’ny drafi-panarenana « Phénix 2030 » ny kaompania Madagascar Airlines ny fampitomboana ny fiaramanidina hamaliana ny filan’ny mpandeha amin’izao vanim-potoana fahatongavan’ny mpizahatany izao. Tafaverina miasa ankehitriny ny fiaramanidina MSN 813 rehefa nandalo […]
Mois : juillet 2024
INDRAY MIJERY
Efa manomboka miranty eny amin’ny tsenan’ny mpaninjara ireo fitaovam-pianarana samihafa ho an’ny mpianatra hiatrehina ny taom-pianarana vaovao. Mbola ny kahie aloha no tena be mpividy izao satria ireo no marobe ny isan’ny ampiasaina any an-dakilasy, hoy ny mpivarotra. Tsy niova ny vidiny fa ireo tahiry tsy mbola lafo tamin’ny taon-dasa […]
Fisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza: nampanantonina ny tanora ny fitiliana
Mitohy ny hetsika fanentanana momba ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono ary ny fananahana ara-pahasalamana karakarain’ny ONG Douleurs sans frotières (DSF), Fisa sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Misy ny fitiliana manokana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, anio, eny amin’ny CSB Ambohipo ary eny amin’ny Esplanade oniversiten’Antananarivo kosa ny alatsinainy sy talata […]
“Foara B to C” : hampihaona ny mpamokatra sy ny mpanjifa
Ny fisian’ny mpanelanelana matetika no mampiaka-bidy ny entana sy ny vokatra rehefa tody eny amin’ny mpanjifa. Ao anatin’ny “Foara B to C”, hampihaona mivantana ny roa tonta ny hetsika fampirantiana sady varotra ihany koa, izay karakarain’ny NCom Agency. Efatra andro (28-31 aogositra) no handraisan’ny trano heva miisa 100 ny hetsika, […]
Fitaterana an-tariby: hiasa amin’izay ny zotra Anosy-Petite Vitesse
Hiodina tsy ho ela ny zotra teleferika mampitohy an’Anosy sy Petite Vitesse satria efa tomombana tsara ny ara-teknika sy azo antoka. Mitohy ny asa ho an’ny zotra hafa Nanao tatitra mahakasika ny fitaterana an-tariby ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gérard. Nisongadina tamin’izany ny hampandehanana […]




