Mois : juillet 2024

TARATRY ny KANTO

“Gasy Band” ao amin’ny Piment Café Behoririka. Taorian’ny fihodinana nataon-dry zalahy tany ivelany, manome fotoana ireo mpankafy azy indray ny tarika, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Malalaka sy mivelatra be ny hira halahatry ry Poon, Jimmi Harrison, Rolly Rabesata ary i Tojo amin’io. “Smile Party” ao amin’ny […]

Mahaleo – Lolo sy ny tariny – Samöela: hira am-polony no iarahana an-tsehatra

Fampiarahana ny fampisehoana, ny kitonotono amoron’afo ary ny fihaonan’ny tia sy ny manina ny “Revirevy mody masoandro”. Fiverenana any amin’ny taona maro lasa, anaty vazo miteny koa ho an’ny ankamaroan’ny mpankafy. Fanandratana irony hira vokatry ny tany… Ani­san’ny fampisehoana goavana anadrasan’ny maro indrindra amin’ity faran’ny herinandro ity ny “Revirevy mody […]

« Samy mande samy miady »: nanomboka omaly ny fampiratiana

Tanterahina nanomboka omaly, hatramin’ny 23 aogositra 2024, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, ny varotra fampiratiana «Samy mande samy miady» an’i Andy Jeremy Randriariman­ga, fantatry ny maro amin’ny hoe A.J amin’ny maha mpanakanto azy. Mifantoka kokoa amin’ny «Art Urbain» ity fampiratiana ity. Tanjona amin’izany ny fampahafantarana ny maha izy ity karazana […]

Sinema Malagasy: manomboka maka ny toerany ny tanora

Tanora Malagasy, mpanatontosa horonantsarimihetsika Randriamiharisoa Fanasina. Mpandresin’ny fifaninanana «Madagascourt Film Festival» (MFF), andiany faha 19, tao amin’ny sokajy nasionaly, ta­min’ny alalan’ny «Engrena­ge», horonantsarimihetsika notontosainy, no tena nahafantarana azy. Efa mpankafy ny tontolon’ny fanatontosana horonantsary hatramin’izay Randriamiharisoa Fanasina. Maro ny dingana efa nolalo­vany, ary anisan’ny nofinofiny hatramin’izay ny fandraisana anjara amin’ny […]

Tsy mety mandroso: firenena « Be tokony… » i Madagasikara

Manan-karem-be i Madagasikara… Noho izany, tokony manan-karena ihany koa ny Malagasy monina eo amin’ny. Be loatra ny soatoavina malagasy no niova endrika. Tokony harenina izy ireny… Rakotra « tokony » ny fiainan-dRamalagasy. Efa ela no nandrenesana fa “tokony” ho sivanina ihany ny tazan’ny maso sy ren’ny sofina amin’ny Televiziona sy […]