Mois : juillet 2024

«Ligue des champions d’Afrique»: hatao atsy Maorisy ny lalaon’ny Disciples sy ny Orlando Pirates

Nanambara tao amin’ny tambajotra serasera, omaly, ny Disciples FC fa hatao atsy Maorisy ny lalao mandroso tokony horaisiny eto Mada­ga­si­kara, eo amin’ny dingana savaranonando hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Li­gue des champions”. Fihao­na­na, hikatrohany amin’ny Orlando Pirates Afrika Atsimo. Hotanterahina ao amin’ny kianja Complexe Côte d’Or Stadium, ny 18 aogositra […]

«Mada Jeunes 2024»: horaisin’Analamanga ny fifaninanana

Hotanterahina eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, taranja handball. Hanomboka ny 2 aogositra izany ka tsy hifarana raha tsy ny alahady 10 aogositra 2024. Sokajin-taona telo na eo amin’ny tovolahy na ho an’ny tovovavy no hifaninanana dia ny «minime, cadet, junior». Hiverina eto Analamanga indray izany […]

Rugby – Top 12: “Vonona foana ny Uscar na tsy misy filoha aza”, hoy i Benja SG

Noho ny olana anaty, nametra-pialana ny filohan’ny fileovana Uscar, taranja rugby. Manoloana izany, fiaraha-mitantana ny hitondrana ny ekipa. “Vonona foana izahay na tsy misy mpitondra aza”, hoy Randriamanantena Benjamin, sekretera jeneralin’ny Uscar. Gazety Taratra (*) : Aiza ho aiza ny Uscar ao anatin’izao taom-pilalaovana izao ? R.Benjamin (-) : Eo ihany ny […]

INDRAY MIJERY

Ahitana fiakarana ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo. Avo telo hatramin’ny efatra heny mihoatra ny fetran’ny OMS ireo refy rehetra voaray. Ao anatin’ny telo andro ho avy, vinavinaina hijanona ho mankarary ireo olona marefo ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo. Tombanana mbola hitoetra ny zavona ny maraina amin’ny ankamaroan’ny faritra maro […]

Sampana teknika : tsara ny taham-pahafahana fanadinana

Efa nivaly avokoa ireo fa­nadinana isan-tsokajiny ho an’ny ivontoeram-panofanana sy lisea teknika manerana ny Nosy, nokarakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arakasa. Nahafa-po ny vokatra azo amin’ny ankapobeny, hoy ny tomponandraikitra. Ho an’ny fifaninanana hidirana taona voalohany eny amin’ny LTP. Miisa 42386 ny mpiadina tonga teny anivon’ny foibem-panadinana 183. […]