Mois : juillet 2024

Razanamahefa Désirée Stella : “Miantoka ny fifidianana azo itokisana ny fampiharan-dalàna”

Hanao ahoana ny fifidianana kaominaly? Na izay antoka amin’ny fanatanterahana azy… Maneho ny fijeriny ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella. Gazety Taratra (*): Inona no azo arenina avy hatrany amin’ny fiatrehana fifidianana kaominaly? – Razanamahefa Désirée Marie Stella (-): Hatramin’ny 6 […]

Reko Band – 5 taona : seho alohan’ny farany eto Antananarivo

Anatin’ny ivon’ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny Reko Band amin’izao fotoana izao. Maro ny karazan-tseho efa tontonsa, tamina toerana samihafa arakaraka ny filan’ny mpankafy. Hafa noho ireo efa nisy ity hotontosaina etsy amin’ny La Balançoire ity, ny alakamisy iray aogositra, manomboka amin’ny 7 hariva. Fotoana hizaran-dry Fy ny sanganasany manakaiky kokoa […]

Faribolana Sandratra : hanolotra ny «Telolafy» i Aro sy i Gazela Meva ary i Irà

Mpanoratra samy manana ny mampiavaka azy. Tsy hanalavitra izay ihany koa ny antsan- tononkalo hotanterahin’i Aro sy i Gazela Meva ary Irà, ny faran’ny herinandro izao. Haneho ny maha izy azy ny tsirairay. «Telolafy», io indray no lohatenin’ny antsan-tononkalo hotanterahin’ny Faribolana Sandratra ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) tohatohabaton’Antaninarenina, ny 27 […]

Razana sy fitahiana : amina miliara ny fanaovam-pasana ho an’ny mpanan-karena

Miditra anatin’ny vanim-potoan’ny famadihan-drazana ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Misy ny manokatra ny fasan-drazana fotsiny, misy ny manangana fasam-bao amina miliara. Manomboka ny volana jolay, miditra amin’ny vanim-potoana hanaovana famonosan-damba ny razana ny Malagasy, indrindra ny ampovoan-tany. Famadihana, ba­pam­pa, tsaboraha, sns. Samy manana ny fiantsoany azy ny isam-paritra. Ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 72 miliara Ar ny trosan’ny fanjakana amin’ny mpaninjara solika ho an’ity taona 2024 ity. Manodidina ny 39 miliara Ar ny tavela tamin’ny taon-dasa. Misy ny fifanarahan’ny roa tonta handoavan’ny andaniny sy ny ankilany avy ny trosany sy ny hetrany taorian’ny tsindry nataon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Maherin’ny 50 000 ny isan’ny […]