320 ny trano mora natsangan’ny fanjakana eny Imerintsiatosika. Nihaona tamin’ireo olona nahafeno fepetra sy efa vita fisarihana hisitraka izany ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy toeram-ponenana, ary nitondra fanazavana ny amin’ny dingana fandoavam-bola. Nampahafantarina azy ireo ny fahafahan’ny sokajin-tokantrano tsirairay manefa ny vidin’ny trano ary ny fanohizana ny dingana […]
Mois : juillet 2024
Fanavaozana ny karinem-pokontany: hijerena ny sosialim-bahoaka isaky ny tokantrano
Ezahina hovitaina amin’ity taona 2024 ity ny fanatontosana sy fanavaozana ny karinem-pokontany isan-tokantrano manerana an’i Madagasikara. Mba hahafahan’ny tokantrano misitraka ny lafin’ny maha olona sy ny sosialim-bahoaka. «Amin’ity taona ity, tokony hanana karine vaovao avokoa ny tokantrano tsirairay avy», hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra sy […]
Vondrona iraisam-pirenena: nankasitraka ny Firenena mikambana ny filoha Rajoelina
Manga ny lanitra eo amin’ny fiaraha-miasan’ny firenena malagasy sy ny Firenena mikambana. Nanamafy ny hitohizan’izany ny roa tonta nandritra ny fihaonana, omaly, teny Iavoloha. Tontosa, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fihaonana teo amin’ny mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana eto Madagasikara, Issa Sanogo, sy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Ankoatra […]
Faritan’Antananarivo: napetraka ny samboadin’ny depiote
Tontosa, omaly, teny amin’ ny Gara Soarano, ny lanonana nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny samboady ho an’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena ho an’ny faritanin’Antananarivo sy ireo solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teto amin’ny faritra Analamanga sy Itasy ary ny tao Tsiroanomandidy. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin. Nanotrona izany ny […]
MIRALENTA: an-dalana ny politikam-pirenena
“Voalohany, tsy misy ny finiavana politika hanatanteraka an’izay; faharoa, tsy matoky tena na atosika omena toerana aza ny vehivavy indraindray; fahatelo, ny lafiny kolontsaina eto Madagasikara mbola mametraka ny 70 %, na lahy na vavy, hoe aleo ny lehilahy no hitana ny andraikitra ambony”. Io ny fanazavan’ny manampahaizana momba ny […]




