Fanaovan-gazety ara-tontolo iainana: miofana momba ny fifanarahana iraisam-pirenena

Mpanao gazety maherin’ny 20 no niofana fanamafisana ny fahaiza-manaony, mikasika ny tontolo iainana, omaly. Ni­karakara azy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Niompana tamin’ny lohahevitra lehibe efatra ny fotoana, mahakasika ireo fifanarahana ara-tontolo iainana ataon’ny Fivoriamben’ny mpikambana (Cop) ao amin’ny Firenena mikambana. Anisan’ izany ny fifanarahan’i Rio, ahitana fifanarahana telo. Mi­kasika ny fiovan’ny toetr’andro, ny fifanarahan’i Paris, Cop15, mikasika ny fampihenana ny hafanan’ny tany. Eo koa ny fifanarahana momba ny kazaran-javamananaina, ahitana fifanarahan’i Nagoya, mifantoka amin’ny fitsinjarana ara-drariny ny tombontsoa (Apa) avy amin’ny harena voajanahary, sy ny fifanarahan’i Cartagena mikasika ny lafiny fiarovana ny fambolena.
Noresahana ihany koa ny Cop16 mahakasika ny fahangazan’ny tany. Voalaza fa efa mirona mankany amin’ny faha­ngazan’ny tany ny farira miisa 13 eto Madagasikara, indrindra ny tapany andrefana mianantsimo. Manomboka any amin’ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy, Anosy,…. hatrany Atsimo Atsinanana. Maherin’ ny 9,015 tapitrisa ha izany velaran-tany manomboka miha-ngazana izany.
Manampy ireo, ny fifanarahan’i Nairobi Cop15, mikasika ny fahalotoan’ny rivotra, ny rano ary ny tany. Hatao eto amin­tsika amin’ny 20-22 ao­gositra 2024 ho avy izao ity fivoriambe iraisam-pirenena ity.

Njaka A.

Partager sur: