“Fier-Mada” 25 taona nanohanana ny mpamokatra

Niara-dalàna sy nanohana ny mpamokatra malagasy hatrany ny Tsenabe iraisam-pirenena ara-toekarena eny ambanivohitra “Fier-Mada”, nandritra izay 25 taona nisiany izay. Nisongadina hatrany ny fihaon’ny mpanjifa mivantana amin’ireo mpamokatra avy eny ifotony.

Fotoan-dehibe iray mampivondrona ny mpamokatra sy ny tantsaha manerana ny Nosy ny hetsika “Fier-Mada” izay atao eny amin’ny kianja Maki An­doha­ta­penaka, nanomboka omaly hatramin’ny alahady izao. Nanomboka ny taona 1999 nisian’ny hetsika hatramin’izao 2024 izao, niara-dalàna ho an’ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny toekaren’ny tantsaha hatrany ny “Fier-Mada”. Nasongadina manokana ny vokatra vita malagasy sy ny fahaiza-ma­naon’ireo tantsaha sy ireo mpamokatra samihafa. Mia­vaka ny hetsika amin’ity taona ity. “Naverina ny tsena malagasy fahiny teny Analakely, izany hoe, ireo elo be nampiavaka antsika ka misy ireo toerana ahitana izany”, hoy ny filohan’ny “Fier-Mada” sady mpikarakara ny hetsika, Ra­ma­nantsoa Jacques. Loha­he­vitra tamin’ity andiany faha-25 ity ny hoe : « Toekarena ambanivohitra miroborobo: arovan’ny fanjakana amin’ireo loza rehetra mihatra ny asa famokarana ». Mbola tsy ampy ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny famoka­rana eto amintsika. Mazàna, potiky ny loza voajanahary sy ambana isan-karazany ny voly sy fiharian’ireo tantsaha ka tsy maharisika amin’ny famoka­rana intsony izy ireny. Izany hoe, tokony tohanan’ny fanjakana hatrany ny mpamokatra. Eke­na, misy ny fadaharanasa fampadrosoana ny fambolena sy fiompiana ary jono, saingy matetika tsy mipaka mivan­tana amin’ny tantsaha izy ireny. Fotoana iray ahafahana misarika ireo mpamatsy vola handraharaha eny ambanivohitra ihany koa ny hetsika.

Malalaka

Tany mamokatra sy midadasika i Madagasikara ka mila trandrahana hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Miara-dalàna sy manome tant­soroka samihafa an’ireo tantsaha ihany koa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Jono sy ny toeka­rena manga (MPEB) amin’ny alalan’ny fanomezana ireo masomboly sy teknikam-
pa­mokarana isan-karazany. « Maro no efa vita saingy mbola betsaka no tokony atao »,
hoy ny mpikarakara ny “Fier-Mada”.

Henintsoa Hani

Partager sur: