Hiady ny vintana farany, hiakarana amin’ny dingana manasa-dalana eo amin’ny hazakazaka 100 m misy fefy, anio, i Sidonie Fiadanantsoa amin’ny lalao Olympika, atao any Frantsa. Tsy nahatratra ny fe-potoana amin’izany izy omaly ka mamerina ny hazakazaka.
Tontosa omaly tao amin’ny kianja Stade de Frantsa ny hazakazaka 100 m misy fefy nataon’i Sidonie Fiadanantsoa, ho an’ny Lalao Olympika, atao any Paris Frantsa. Teo amin’ny laharana fahadimy izy nandritra ny fifanintsanana. Tontosany tao anatin’ny 12 s 92 % io halavirana io.
Araka izany, tsy nahazo ny tapakila mivantana hiatrehana ny manasa-dalana ny tovovavy. Tsy mbola raraka izy fa hiatrika ny famerenana ny hazakazaka anio, hiadiana indray mandeha ny toerana amin’io dingana an-katoky ny famaranana io. Ireo 3 voalohany isaky ny vondrona miampy ireo 3 manana ny fe-potoana tsara indrindra no tafita avy hatrany fa ny fahefatra sy
ny fahadimy ary ny fahenina mbola hiady laharana indray amin’ity alakamisy ity.
Nitana ny laharana voalohany tao amin’ity sokajy nisy an’i Sidonie ity, ilay nizerianina, i Tobi Amusan, 12 s 49%, faharoa ilay amerikanina i Alaysha Johnson, 12 s 61 % ary fahatelo, i Janeek Brown, teratany zamaikanina 12 s
84 %. Tafita avy hatrany amin’ ny manasa-dalana izy telo mirahavavy ireo. “Tsy dia tsara ny fiaingana avy eo niezaka nanenjika fa iny no vita. Hiezaka hanao tsara anio amin’ ny famerenena satria tsy mifanalavitra amin’ny fe-potoanako ny vitan’ireo teo alohako. Nisy olana ny fanomanana satria efa akaiky ny fifaninanana vao nisy ilay fiofanana”, hoy i Sidonie taorian’ny hazakazaka nataony.
Ao amin’ny “serie 3” no misy an’i Sidonie amin’ity famerenana ity ka eo amin’ny “couloir” fahafito izy. Anisan’ ireo hifanandrina aminy, ilay aostralianina i Clay Liz sy ilay teratany avy any Bahamas i Cartwright Denisha ary ilay hongroazy i Kozak Luca.
Tompondaka




