INDRAY MIJERY

Nanatanteraka asa fanamboarana teo amin’ny tetezam-by Tanjombato, teboka halaviran-dalana PK 6+520, amin’ny lalam-pirenena faha-7, ny ekipan’ny fitaleavana misahana ny hamehana eo anivon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny alahady teo. Nosoloina ireo “tabliers” rovitra sy simba miisa 8. Nafindra ireo “tabliers” sola miisa 30. Teo ihany koa ny fanerena ireo “boulons” sy ny famerenana amin’ny laoniny ireo “broches” sasantsasany.
Mpampianatra 644 avy amin’ny CEG ao amin’ny faritra Sava, Menabe, Analanjirofo, Analamanga ary Atsinanana no manaraka fiofanana momba ny taranja F .O.V na Education civique teo aloha, izay nasiam-panavaozana. Tanjona ny hamolavolana mpianatra ho tsara fitondrantena sy mandray andraikitra eo amin’ny fiarahamonina. Miara-miasa amin’ny Pnud sy ny USAID, ao anatin’ny fandaharanasa Rindra, ny fanofanana.
Nisongadina tao anatin’ ny lahatenin’ny minisitry ny Fampianarana teknika, Rasoloarisoa Marie, nandritra ny fananganan-tsaina nataony omaly, ny hanomezana sehatra sy ny hanomezan-danja ny traikefa ananan’ireo teknisianina sy ny mpiara-miasa eo amin’ny minisitera. Fifanomezan-tanana eo amin’ny mpiara-miasa no mitondra fahombiazana.
Fanamboarana ny lalana ao Ambatomandeha Betsizaraina, kaominina Ambohimangakely no ataon’ny faritra Analamanga ankehitriny. Manentana ny mponina ao an-toerana mba ho sarotiny ka hanana ny tsara izy ireo. Eo koa ny tsy tokony hampiasana ny sarety kodiarana vy izay anisan’ny mamotika ny lalan-tany.

Partager sur: