Nikarakara fitiliana maimaimpoana ho an’ireo zokiolona mpikambana ao amin’ny Firaisamben’ny zokiolona eto Madagasikara (Fizoma) ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro mody, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hisoroka ny aretina samihafa (diabeta, fiakaran’ny tosidra, fahaverezan’ny fitadidiana…) sy ny fanentanana hanatsarana ny toe-piainan’ny zokiolona sy ny fianakaviany.
Mbola ny faran’ny herinandro teo ihany, nidina teny anivon’ny Lycée Saint Louis Roi ao Fenomanana, ny tomponandraikitry ny fikambanana nampita fahalalana ho an’ny mpianatra momba ny aretina alzheimer sy ny mitovy aminy. Mpianatra 350 no nandray ny fizarana ahazoan’izy ireo mahatsapa ny zavatra iainan’ny marary sy ny fianakaviany, ialana amin’ny hevi-draikitra voizin’ny fiarahamonina manoloana ny aretina alzheimer. Vina ny hanomanana ny taranaka hahafantatra bebe kokoa ny aretina ka tsy hanilikilika ny marary sy ny fianakaviany.
Nandritra ny volana septambra, maro ny hetsika notanterahin’ny fikambanana niaraka tamin’ny mpisehatra sy ny mpiray ombon’antoka. Anisan’izany ny fampahafantarana ny antontan-kevitra navoakan’ny Alliance francophone Alzheimer “Miara-mientana manoloana ny Alzheimer, mihetsika ireo fikambanana mampiasa ny teny frantsay”.
Vonjy





