komandin’ny CRGN Toamasina: midina an-tsehatra eny an-kianja

“Efa baikon’ny filoham-pirenena fa ny tomponandraikitra rehetra dia tokony hidina an-tsehatra eny ifotony, ho anay zandarimariam-pirenena dia mila tanterahina sy arahina ara-bakiteny izany. Ilaina ihany koa ny mankahery ireo zandary miantsehatra any anaty lalampasika rehetra any”, hoy ny kolonely Ralibera Faustino, komandim-paritany vonjimaikan’ny  zandarimariam-pirenena Toamasina. Efa misy rahateo fanatanterahana ny didy fanapahana noraisin’ny OMC amin’ny tsy tokony hisian’ny trano fisotroana hisokatra intsony aorian’ny amin’ny 10 ora alina, mba hisorohana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Vokany, betsaka ny tranga mbola nifanehatra tamin’ny ekipa notarihin’ny kolonely Ralibera Faustino, ny alin’ny zoma 30 aogositra teo, tetsy an-dalampasik’i Tanambao Verrerie. Jiolahy efatra nifanehatra tamin’ny zandary, nikasa hanao asa ratsy. Nosa­vaina, tsy nisy manana karapanondrom-pirenena na iray aza. Tetsy Mangarivotra Atsimo kosa, trano fisotroana iray mbola tsy nikatona amin’ny 12 ora alina nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary. Nasaina nivoaka ny mpanjifany ary voatery tsy maintsy nentin’ny zandary handraisana fepetra ny tompony  sy ireo olona hafa niseho namaly ny zandary manao ny asany.

Sajo

Partager sur: