Anatin’ny fiatrehana ny fifaninanana rezionaly avokoa, amin’izao, ireo ligim-paritry ny karate-do malagasy. Ligy 3 indray no hanatanteraka ny fiadiana ny ho tompondaka rezionaly ao amin’ny ligy misy azy avy, ny faran’ity herinandro ity. Ho an’ny ligin’Analamanga, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, no hanaovana ny fifaninanana, ny sabotsy izao, izay ahitana […]
Mois : septembre 2024
Tenisy : hampiantrano ny “ITF World Tennis Tour Juniors J30” ny Malagasy
Handray lalao iraisam-pirenena goavana ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT). Hatao eto Madagasikara ny “ITF World Tennis Tour Juniors J30”, hifanandrinan’ireo kalaza, lahy sy vavy, eto Afrika. Hotanterahina eny amin’ny Kianja Club Olympique de Tananarive (COT), manomboka ny alatsinainy 23 septambra ho avy izao ny fifaninanana iraisam-pirenena, taranja tenisy, sokajy zandriny […]
INDRAY MIJERY
Mampiasa ny fitaovana misy eo am-pelatanana ny CUA amin’ny fanadiovana sy ny fitaterana ireo fako. Anisan’izany ireo “camions multibennes” avy amin’ny governemanta japoney. Enim-bolana taorian’ny nampiasana azy voalohany dia efa nahavita halavirana 40 000Km. Hita taratra amin’izany ny halehiben’ny asa izay sahanina noho ny habetsaky ny fako eto an-dRenivohitra. Taorian’ny haintrano […]
Ady amin’ny pesta : mila mailo rehefa misy fambara mampiahiahy
Ao anatin’ny vanimpotoana mampirongatra ny aretina pesta isika hatramin’ny volana avrily amin’ny herintaona. Mila ampitomboina ny fahamailoana sy ny fisorohana. Aretim-boalavo mifindra amin’ny olombelona ny pesta, avy amin’ny bakteria antsoina hoe yersinia Pestis. Ilay parasy no maka ilay otrikaretina any amin’ny voalavo ka manaikitra ny olona ary lasa mifindra amin’ny […]
MPITSABO AVY ANY TURQUIE : nandray marary 200
Noraisin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Randriamanantany Zely, ny masoivohon’i Turquie, Ishak Ebrar Çubukçu, omaly. Misokatra sy mivelatra amin’ny firenena maro ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara ary anisany miara-miasa amin’izany i Turquie. Raha tsiahivina dia mpitsabo avy any Turquie no tonga nifanome tanana tamin’ireo mpitsabo tao amin’ny hopitaly Andohatapenaka nandritra […]




