Mois : septembre 2024

OIT-Minisiteran’ny Fampianarana teknika : hovelarina amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasa

Naneho fahavononana amin’ny fanohizana ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny OIT, taorian’ny fihaonana teny Ampefiloha, omaly. Hovelarina amin’ny sehatra maro ny fiaraha-mia­san’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa miaraka amin’ny mpitarika vaovao ny minisitera, Rasoloarisoa Marie Marcelline, sy ny Organisation intertnationale du travail (OIT), […]

Foire internationale de l’Agriculture (FIA): nanandratra avo ny fampivoarana ny famokarana

Tratra ny tanjona ho an’ireo mpikarakara ny Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny famokarana (FIA) andiany fahenina, teny amin’ny Parc des Expos Forello, Tanjom­bato, ny 12-15 septambra teo. Nisongadina nandritra ny efatr’andron’ny hetsika ny voka-pamokarana malagasy sy ny fanavaozana ary ny fampivoarana izany. Nanamarika ny hetsika tamin’ity andiany ity ny « Village biolojika » […]

Famokarana siramamy: Hatsaraina ireo fotodrafitrasa

Tonga nidina ifotony tany Ambilobe, ny sabotsy teo, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David, nijery ny zava-misy ao amin’ny ozinina mpamokatra siramamy, taorian’ny dinika niarahany tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Niara-dia tamin’ny minisitra ny tale jeneralin’ny Fambolena eo anivon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny […]

Salon de la Créativité Voatra: hifantoka amin’ny fanavaozana sy fahasamihafana

Mitaky zava-baovao sy tolotra samihafa manaraka ny fenitra takin’ny tsena ny fandraharahana hampaharitra ny tetikasa. Tokony hanana kalitao sy vokatra mampiavaka azy ny mpandraharaha. Ilaina ny fanavaozana sy ny famoronana mba hanatsara ny tontolon’ny fandraharaharana sy hampaharitra ny tetikasa. « Tsy ampy ny famoronana ataon’ireo mpandraharaha malagasy fa zatra maka tahaka […]