Hanomboka ny alatsinainy izao ny asa mafy ho an’ny zaza malagasy, satria hanomboka ny fanatanterahana ny fandaharam-pianarana. Hiditra tanteraka anatin’ny taom-pianarana sy ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana ny mpianatra. Samy miezaka manao izay ho afany, handehanan’ny zaza any an-tsekoly ny ray aman-dreny. Raha ny zava-misy dia hifandrombahana ny mandefa ny […]
Mois : septembre 2024
Mampitandrina ny Ceni : «Tsy mbola misy resaka fanemorana fifidianana izao»
Nitondra fanazavana momba ny feo miely amin’ny fanemorana ny fifidianana ben’ny Tanàna ny mpampakatenin’ny Ceni. Tsy mbola misy resaka momba izany, araka ny filazany. “Manoloana ny fanazavana nentin’ny tena amin’ny maha mpampakatenin’ny Ceni tao amin’ny RFI, diso ny filazana fa ny datin’ny fifidianana 11 desambra no eritreretin’ny Ceni hahemotra”. Io […]
TSELATRA
Lehilahy iray hita faty natsingevan’ny rano teny Ambohimanambola, omaly hariva. Tsy fantatra ny antony nahafaty io olona io hatreto. Nidina ifotony ny tomponandraikitra teo anivon’ny fokontany voakasika nizaha ny vatana mangatsiaka. Voasambotry ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ny mpamaky trano iray tao amin’ny fokontany Mahaimandry, kaominina Ambohijanaka, ny 11 […]
Ambanja : olona 22 nikasa hiondrana antsokosoko
Tsy mety fay mihitsy! Teo am-pikasana ny hiondrana antsokosoko hihazo an’i Mayotte indray ireo olona 22 no nifanehatra tampoka tamin’ny zandary tao Ambanja, afakomaly misasakalina. Nahazo loharanom-baovao ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Nosy Be sy Ambanja momba ny fisian’ireo andian’olona mikasa hiondrana antsokosoko mandeha sambo haingam-pandeha voalaza fa hihazo an’i Mayotte. […]
Ankasina : tranohazo sy ozinina indray kilan’ny afo
Ny akanjo teny an-koditra sisa! Kilan’ny afo ireo tranohazo ahitana tokantrano valo, teny Ankasina, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora sy 15 mn. Voalaza fa noho ny tandrevaka tao amina tokantrano iray no nitarika ny firehetana. Misy ozinina mpanao fanaka, mpikirakira bateria, mpanao vato, teo amin’ity toerana levon’ny afo ity. Tampoka […]




