Anisan’ny mampimenomenona ny ankamaroan’ny olona ny fahadisoana madinidinika eo amin’ny fanaovana sora-piankohonana, sora-pahaterahana ary ny sora-pahafatesana. Miteraka olana goavana eo amin’ny fianakaviana izany trangan-javatra izany. Tsy vitsy ny misedra olana eo anivon’ny kaominina amin’ny fikirakirana ny sora-piakohonana, kopia fahaterahana, fahafatesana, fanambadiana, eny anivon’ny kaominina ambanivohitr’i Toamasina, raha ny fanadihadiana natao. […]
Mois : septembre 2024
FANTINA sy FINTINA
Hirotsa-kofidina ho ben’ny Tanàna ao Mahajanga ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM eo anivon’ny vondrona Firaisankina, Rakotovao Rivo. Filoham-panjakana mpisolo toerana ny filohan’ny Repoblika teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, izy talohan’izao hirotsahany ho ben’ny Tanàna izao. Efa vonona ny antontan-taratasy ho amin’izany. Nitsidika ara-pomba fifanajana ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, […]
Antenimierandoholona: mifampizara traikefa amin’ny any Cambodge
Manao fivahinianana any Cambodge, nanomboka ny 9 septambra 2024, ny delegasionina avy eo anivon’ny Antenimierandoholona, tarihin’ny Sekretera jeneraliny, Razafindrazay Mirana. Famaliana ny fanasan’ny Sekretera jeneralin’ny Antenimierandoholona ao Cambodge, Kheng Sethikun, no anton-dian’izy ireo any an-toerana. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hifampizara traikefa eo amin’ny Antenimierandoholon’ny firenena roa tonta ary […]
May ny tanàna !
Mirongatra ny haintrano amin’ny tanàna maro manerana ny Nosy. Maro ireo lasibatra sy rava fananana anatin’ny indray mipi-maso. Lasa lavenona ny fihariana tanatin’ny taona maro. Foana avokoa ny an-tanana. Matetika nefa, tsy manana tahiry na antoka ny lasibatra. Fadiranovana anaty vanim-potoan’ny maitsoahitra. Izay indrindra no olana ho an-dRamalagasy. Tsy […]
Tetikasa Agoa : manohana ny Malagasy ny Amerikanina
Tetikasa anisan’ny mitondra vokatsoa ho an’ny Malagasy ny Agoa. Anatin’ny fandrafetana ny drafitra momba izany ny fanjakana, ankehitriny. “Nametraka drafitra i Madagasikara ahazoana manatsara ny fanondranantsika entana mankany amin’ny Agoa. Ankehitriny, noho ny fifandraisana tsara dia tsara eo amin’i Madagasikara sy i Etazonia dia misitraka fanampiana sy fanohanana ara-teknika avy […]




