Voasambotry ny polisy tao Ihosy ireo mpamaky trano (ahitana vehivavy iray) tompon’antoka tamin’ny famakiana trano tao Amboniavaratra, afakomaly. Hita ny toerana fanangonan’izy ireo ny entana halatra ka nanao bemidina tampoka ny polisy. Mbola hita tao amin’izy ireo avokoa ny entana halatra rehetra. Namoy ny ainy ireo ankizy roa vavy raha […]
Mois : septembre 2024
Ambodimita : Sekoly nirodana tampoka, ankizy 13 naratra
Nitrangana firodanana tampoka ny trano sekoly eny Ambodimita Ampandriambehivavy, omaly maraina tamin’ ny 10 ora. Sekoly iray tsy miankina amin’ny fanjakana ity nirodana tampoka ity. Vokany, ankizy 13 indray naratra tamin’ izany ka dimy amin’izy ireo no voalaza fa naratra mafy, araka ny tatitra voaray teo anivon’ny Sampana mpamonjy voina. […]
Halatra omby : lavon’ny tifitra i Leklody
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny dahalo iray mpangalatra omby tao amin’ny tanànan’ i Betsiriotra, fokontany Ambahimanarina, kaominina ambanivohitra Fidirana, ny 9 septambra teo. Nangalatra omby tao amin’io fokontany io ny dahalo telo lahy. Nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona. Naharay fampahafantarana, nanidy ny kizo ahina handosiran’ireo olon-dratsy ny zandary avy […]
Isotry : toeram-panamboarana fanaka kilan’ny afo
Lasa lavenona avokoa ny fanaka niampy ny akora fampiasa amin’ny fanamboarana izany teny Isotry, omaly. Niainga avy tamin’ny trano iray tsy lavitra ny firehetana. May avokoa ny seza, latabatra sy ny fanaka maro samihafa teny Isotry, omaly maraina tamin’ny 10 ora sy 45 minitra. Naheno feon-javatra nipoaka tampoka avy amin’ny […]




