Tompon’antoka tamin’ny vaky trano niharo fandratrana olona, telo lahy sy vehivavy roa voasambotry ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny DSRP Sava, ny 8 septambra teo. Tra-tehaky ny fokonolona ireo olon-dratsy ikoizana amin’ny famakiana trano ao anatin’ny fokontany Ambodisatrana, kaominina Sambava, ireo. Nandray anjara mivantana tamin’ny fandrobana niseholany tao an-toerana avokoa izy […]
Mois : septembre 2024
Afobe tao Toamasina: trano vato lehibe iray sy trano hazo enina may
Ankoatra ny asan-jiolahy, miseholany ao Toamasina, mandravarava koa, ny haintrano. Tao anatin’ny 19 ora monja, trano maro no indray kila forehitra hohotohon’ny afo. Olona 30 mahery tsy manan-kialofana raha entana antapitrisany maro levon’ny afo miampy ny vola tahiry tao an-trano. Ny alatsinainy tolakandro teo, tamin’ny 2 ora, trano vato misy […]
Nivoraka ny tsinainy : lehilahy voatifitra teo amin’ny kibony
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana mahery vaika indray tao Belobaka, distrika Tsiroanomandidy, ny faran’ny herinandro teo. Mpianaka mitazona epi-bar no notafihin’ny jiolahy. Tsy nanaiky lembenana fa nanohitra ireo olon-dratsy ilay raim-pianakaviana ka notsatohin’ireo jiolahy antsy ny vatany sady notifirin’izy ireo. Feno dian’antsy ny lohany sy ny vatany, tapaka ny rantsan-tanany. Torana tsy […]
Kaominina Mantasoa: tratra ireo fito mianadahy nikasa hamaky fasana
Voasambotry ny zandarimaria ny olona miisa fito saika hamaky fasana tao amin’ny kaominina Mantasoa, ny 8 septambra teo. Vehivavy ny iray tamin’izy ireo. Lehilahy enina sy vehivavy iray nosamborin’ny mpitandro filaminana noho ny fikasan-dratsy hanao vaky fasana tao amin’ny fokontany Lohomby, kaominina Mantasoa, distrika Manjakandriana, ny 8 septambra teo. Nihaodihaody […]




