Tonga ny fotoana tokony hampiasana ny helikoptera sy ny ”drones” nampanantenaina ny taona 2018. Mila izany ny toe-java-misy vokatry ny fakana an-keriny sy famonoana olona. Miara-mirona ny mpitandro filaminana avy amin’ny vondrona telo tonta : polisy, zandary, Tafika tao anatin’ny herinandro izao. Midina hatrany ambanivohitra ny polisim-pirenena izay natokana hiasa an-tanàn-dehibe […]
Mois : septembre 2024
FANTINA sy FINTINA
Tsy mbola nisy nanatitra antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna eny anivon’ny Ovec, Antananarivo Renivohitra. Hatramin’izao, olona manontany sy maka torohevitra ny amin’ny fakana taratasy no betsaka. Ny fahazoana taratasy fanamarinana ny fizakana zom-pirenena sy ny “casier judiciaire” no tena manahirana ireo mpirotsa-kofidina. Mbola handray anjara amin’ny fifidianana ben’ ny Tananàn’Ivato, […]
Pnud-Ceni : hajoro ny komity hamaritra ny fiaraha-miasa
“Raha ny resaka nifanaovana sy nifanarahan’ny Ceni sy ny Pnud, hisy ny komity manokana hamariparitana izay heverina fa zavatra maika tokony hahazoana mifanome tanana”. Io ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fitsidihan’ny solontena maharitry ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana (Pnud) vaovao eto Madagasikara, […]
Vahaolana miainga ifotony
Anisan’ny lohalisitra tamin’ny velirano nataon’ny filohan’ ny Repoblika ho an’i Madagasikara, ny taona 2018, ny mahakasika ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Azo lazaina fa tratra ny tanjona tamin’ny ankapobeny. Nilamindamina ny tanàna, indrindra ny tany ambanivohitra, nandritra ny fotoam-pitondrana voalohany. Ny teto an-dRenivohitra no nahitana tranga maromaro noho ny […]
Minisiteran’ny Fitsarana-Bianco : efa misy ny paikady hiadina amin’ny kolikoly
Am-periny ireo ezaka ataon’ny fitsarana sy ny Bianco, isanisany, mahakasika ny ady amin’ny kolikoly. Antenaina ny hisian’ny fiaraha-miasa sy hetsika ataon’ny roa tonta amin’izany. Tontosa omaly, teny amin’ ny foiben’ny minisiteran’ ny Fitsarana, Faravohitra, ny fitsidihana tamin’ny fomba fanajana, nataon’ny Tale jeneralin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco), Razakamanantsoa Gabhy […]




