58,86% ny taham-pahafahana fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity. 58,01% izany ho an’ny bakalorea ankapobeny ary 74, 58% ho an’ny bakalorea teknika. Nidina kely io taha io raha oharina tamin’ny taon-dasa (59,93%). Tsiahivina fa nilamina ny fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity, tsy toy ny tamin’ny taon-dasa. Notanterahina tamin’ity herinandro ity ny […]
Mois : septembre 2024
Boriborintany V: tokantrano 2 100 nisitraka ny Tsimbina faharoa
Natao afakomaly, tetsy amin’ny Boriborintany faha-5, ny fizarana ny andiany faharoa amin’ny vatsy Tsimbina tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Ireo tokantrano nisitraka ny andiany voalohany tetsy Mahamasina nandritra ny fanokafana ny fizarana niarahana tamin’ny filoham-pirenena ireto nahazo ny andiany faharoa ireto. Mahatratra 2 100 izy ireo no nahafeno ny […]
APIPA: fanamby ny tsy hisian’ny tondradrano eto Antananarivo
Miasa tsy an-kiato ao anatin’ny 20 andro ireo mpiara-miasa ao amin’ny Apipa hahazoana vokatra misongadina. Tanjona ny tsy hisian’ny tondradrano amin’ny lemak’Antananarivo amin’ity fotoam-pahavaratra ity. Miomana avy hatrany amin’ny fiatrehana ny vanim-potoan’ny fahavaratra ny Apipa. Nanao fanamby ny ekipa tarihin’ny tale Ramanantsoa Andriamahafaly Rado ny tsy hisian’ny fiakaran’ny rano mihoapampana […]
TARATRY ny KANTO
« Andeha hidera azy ». Tanterahina rahampitso, eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina, ny fampisehoana, iarahana amin’ny antokom-pihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny tarika izy ity, handrenesana ireo hira nankafizana sy nahafantarana ny tarika hatramin’izay. Rahampitso tolakandro, eny amin’ny CCEsca Antanimena, no hanatontosana ny fampisehoana […]
« Dia rodoben’ny vakiboky »: Aina vao ho an’ny soratra
Nanakambana sokajin’olona sy karazan-tsehatra samihafa ny « Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe » andiany fahatelo, notontosain’ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem, omaly. Tazana tao anatin’ity dia rodobe ity ny mpianatra, mpampianatra, mpikaroka sy mpandalina ny teny malagasy, ny akademisianina, ny fikambanana mitovy asa sahanina amin’ny Havàtsa-Upem tahaka ny Faribolana Sandratra, mpanoratra, […]




