Mois : septembre 2024

Rugby – Top 12 Mada : hanohitra ny FTM ry Boaikely

Hiditra amin’ny andro fahadimy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ny alahady 8 septambra ho avy izao. Fihaonana, hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Lalao telo no voalahatra amin’izany ka anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Raha ara-taratasy aloha, manantombo […]

Antenimierampirenena : notokanana ny famokarana angovo avy amin’ny masoandro

Mamaha ny olan’ny fahatapahan-jiro ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Notokanana, omaly, ny fitaovana momba izany ho an’ny Antenimierampirenena. Notanterahana, omaly, tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Ny filohan’ny An­tenimierampirenena, Tokely Justin sy ny masoivohon’ny firenena indianina, Bandaru Wilsonbabu […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina, omaly, ny fivoriana ara- teknika ho an’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy U21, taranja karaté, tanterahina any Tunisie. Tsiahivina fa mpikatroka malagasy efatra mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity. Marihina fa anio no hanomboka ny lalao any an- toerana. Mankalaza ny faha-25 taonany, ny CSLA (Club […]

Volley- « Coupe de Mada 2D » : hiova ho « Open 2è Division » Analamanga

Ahitana fiovana ny tohin’ny fandaharam-potoanan’ny fede­rasiona malagasin’ny Volley ball, amin’ny faran’ity herinandro ity, araka ny fam­pitam-baovao. Raha tokony hiditra amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy 2è Division lahy sy vavy, ny programa manomboka ny 8 septambra izao, hiova izany, noho ny antony manokana. Araka ny fantatra, hiova ho “Open 2è […]