Mois : septembre 2024

Fikaonandoha Indonezia-Afrika 2024 : fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Indonezia

Vonona hiara-hiasa amin’ ny firenena indonezianina i Madagasikara. Hiompana amin’ny fampivelarana ny maha olona, ny fampirobo­roboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ary ny fahaiza-mitantana izany. Nandray anjara tamin’ny fikaonandoha Indonezia-Afrika (IAF) 2024, andiany faharoa ity ny minisitry ny Fambiro­bo­roboana ny Indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David. Nasongadiny tamin’ny […]

Tsy hery fa fanahy !

  Mihazakazaka izaitsizy ny hazalambo atsy Anjozo­robe ! Poa toa izay, rakotra miaramila ahitana Tafika sy zandary ny tanàna. Maherin’ny 400 raha ny tsilian-tsofina re ny vata-miaramila manao angaredona any an-toerana. Ry zalahy henjana amin’ny ady mafana vay no manao be midina, hoy ny mpilaza. Asa hanao ahoana ny vokatra ? Ny […]

« Autoroute » : mety handalo an’Andaingo ny soritra Anjozorobe-Toamasina

Mandeha ny asa fanamboarana ny arabe migodana « autoroute », ampahany Antananarivo-Anjozorobe. Efa tsinjo ny soritra amin’ny ampahany faharoa, Anjozorobe-Toamasina. Mahatratra 30 km ny lalana vita ravona amin’ny ampahany voalohany, amin’ny arabe migodana « autoroute », mi­ainga eto Antananarivo mankany Anjozorobe mirefy 80 km. Nidina teny an-toerana ny mi­nisitry ny Asa Vaventy […]

TSELATRA

Nalain’ny renim-pianakaviana iray ny vola rehetra teny am-pelatanan’ny reseverana taxi-be amin’ny zotra 133 mampitohy an’Itaosy Cité sy Analakely teny Andranona­hoatra, omaly. Tsy nety hanome ny famerim-bolany ilay resevera fa nolazainy fa efa nomeny ny famerim-bola kanefa nanizingizina ilay renim-pianakaviana fa tsy mbola nandray izany. Vokany, lasa ny vola rehetra teny […]

Anosibe Tsena : mpamongady notafihin’ny jiolahy, lasa ny volabe

Nirefotra indray ny poa-basy teny Anosibe Tsena, omaly hariva. Mpamongady iray akaikin’ny tetezana mavo no lasibatry ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Jiolahy dimy nandeha moto no voalaza fa tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Niditra an-keriny tao amin’ilay trano fivarotana ry zalahy sady nandrahona tamin’ny basy. Nentin’ny tahotra ireo olona tao […]