Tanterahina ao Pékin, Chine, nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso ny fihaonana an-tampony fahasivy eo amin’ny fiaraha-miasa Sino-Afrikanina (Focac). Mandray anjara mavitrika amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ireo Tomponandraikim-panjakana maro any an-toerana. «Mifanome tanana hampiroboroboana ny fivoarana ary hanangana vondrona Shina-Afrika avo lenta miaraka amin’ny hoavy iombonana» no lohahevitry ny Focac. Anisan’ ny […]
Mois : septembre 2024
HCC : Nosoloina ireo depiote voatendry minisitra
Nambaran’ny HCC, tamin’ny fanapahana N° 37- HCC/AR, ny 3 septambra, fa azo raisina sy mitombina ny fakan-kevitry ny filohan’ny Antenimierampirenena ny amin’ny fisian’ny fahabangan-toeran’ny depiote eny anivon’ny Antenimierampirenena, noho ny fisian’ireo depiote voatendry ho minisitra. Eo ny depiote isany Razafinjato Aurélie Marie Augustine voafidy tany Vohibato, Sahondrarimalala Marie Michelle voafidy […]
Minisitry ny Fitsarana: « Ilaina fiaraha-mientana ny ady amin’ny kolikoly »
Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin, sy ireo filoha sy tonia Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana ara-bola, manodidina an’Antananarivo. Teny amin’ny foiben’ny minisiteran’ny Fitsarana Faravohitra, omaly, no nanatanterahina izany fihaonana izany. Anisan’ny nisongadina nandritra izany ny fanentanan’ny […]
Andriamanana Nivoarivony : « Aoka izay ny tsindry fa avelao hifidy malalaka ny olom-pirenena »
Miroso ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly… Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ ny fiarahamonina sivily, Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andriamanana Nivoarivony. Dinidinika… Gazety Taratra (*) : Ahoana ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly amin’izao? Andriamanana Nivoarivony (-) : Manentana faran’izay azo atao ny olom-pirenena handray anjara, indrindra ny […]
TARATRY ny KANTO
Eny amin’ny FLM Ambatonjara By-pass, indray, ny Tanora Masina Itaosy no hanatanteraka « concert » na fampisehoana an-tsehatra iray manontolo, ny alahady 8 septambra izao, manomboka amin’ny 2ora sy sasany tolakandro. Hifantoka amin’ny lohahevitra : « Matokia, mitsangana, miantso anao izy » (Mar. 10 :49b) ny seho. Marihina fa feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Tanora Masina Itaosy, […]




