Mois : septembre 2024

Diary Nofy: hisy fandaharana handrisihana ny vakiboky

“Tanjona ny fandrisihana ny ankizy amin’ny vakiboky. Mba hanatrarana izay no anton’ity fandaharana amin’ny onjam-peo ity”, hoy ny nambaran’i Oliva Rafetison, avy ao amin’ny Diary Nofy, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely. “Koko & Friends” ny lohatenin’ny fandaharana, izay handeha ao amin’ ny onjam-peo […]

Tranomboky Analakely: nahasarika mpijery maro ny fampisehoana majika 

Anisan’ny zavakanto mbola miezaka mametraka ny toerany, eto Madagasikara ny majika. Maro ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra amin’izany. Efa manomboka mahita vokany ny mpikarakara ankehitriny, noho ny fitomboan’ireo mpankafy ny hetsika Tontosa omaly, teny amin’ ny Tranomboky monisipaly Analakely ny “Scene Ouverte Magie”. Hetsika karakarain’ny avy eo anivon’ny Tranomboky monisipaly sy […]

Fotoanan’ny famadihana: mihena isan-taona ny fanjifana ireo fitaovana ampiasain’ny mpamadika

Amin’izao fotoana izao, mbola tafiditra tsara ao anatin’ ny vanim-potoa­nan’ny famadihana ny eto Madaga­sikara. Ny volana aogositra hatra­min’ny oktobra no fotoana tena ma­ha­be mpamadika eto amin’ny Nosy. So­mary nihena ny fan­jifana ny tsihy sy ny lambamena eny an-tsena. Famonosan-damba vaovao na famindrana toerana ny razana no antsoina hoe famadihana, araka […]

VAOVAO TAMBATRA

Nahazahoana alalana ny hanapahana ireo hazo lehibe manamoron’Andasibe, taorian’ny fianje­ran’ny hazo tamin’ny fiara nitondra mpizahatany, ka naharatran’ny mpandeha tao anatiny. Ny fikambanana Mitsinjo, ny Jirama ary ny kaominina Andasibe no nanao ny fangatahana tamin’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Alaotra Mangoro. Hatolotra ny kaomi­nina hanaovana sy hanarenana fotodrafitrasa samihafa ireo […]