Milanja 125 300 taonina ny vary nafaran’i Madagasikara nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona, izany hoe, nihena mihoatra ny 50% raha oharina ny tamin’ny taona 2023, izay nahatratra hatrany amin’ny 269 600. Mitentina 316,4 miliara Ar ny totalimbidin’ireo fanafarana, raha tafakatra hatrany amin’ny 511,4 miliara izany tamin’ny taon-dasa. Tombanan’ny FAO fa mila manafatra […]
Mois : septembre 2024
Sandam-bola : tafakatra 5 000 Ar ny euro
Mitotongana ny vola malagasy, nisanda 5 000,32 Ar ny euro iray, araka ny tarehimarika tao amin’ny tranokalan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), omaly. Niainga 4 988,00 Ar izany omaly tamin’ny 11 ora maraina. Tafakatra 5 000,32Ar tamin’ny fifanakalozam-bola, nikatona tamin’ ny 3 ora tolakandro, araka ny tarehimariky ny BFM. Tao anatin’ny iray volana, nanafosafo […]
Olan’ny famatsiana herinaratra sy rano: hitondra vahaolana maharitra ny Jirama
Nitondra fanazavana mahakasika ny olan’ny famatsiana herinaratra sy rano eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny Jirama sy ireo minisitera voakasik’izany, omaly. Nivoitra tao anatin’izay ireo vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka hamahana ny zava-misy amin’izao. «Hafainganina ny fametrahana ireo tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro 50 Mégawatts, manoloana ny olan’ny famatsiana […]
INDRAY MIJERY
Hisitraka fizarana rantsam-batana artifisialy (prothèse artificielle) ny olona marefo ara-pivelomana manana fahasembanana 500. Hetsika hatao mandritra ny 42 andro, iarahan’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny governemanta Indiana izany, araka ny fampahafantarana nandritra ny filankevitry ny minisitra. Voalaza nandritra ny dinika momba ny famatsiam-bolan’ny fananahana ara-pahasalamana any New York fa anisan’ireo modely […]
“First Global Challenge 2024”: haharitra hefarana ny hetsika any Athènes
An-jatony ny firenena mandray anjara amin’ny hetsika fifaninanana “First Global Challenge 2024” any Athènes ary manana solontena isika. Efa tonga any an-toerana ny tanora dimy mianadahy voasafidy hisolontena an’i Madagasikara amin’izany fifaninanana iraisam-pirenena momba ny robotika izany. Nanomboka omaly ka hatramin’ny alahady ho avy izao ny fifanintsanana, araka ny fanazavan’ny […]




