Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy U16, taranja basikety, natao tany Antsirabe, ny MB2All sy ny JCBA. Nandresy ny Phoenix, tamin’ny isa 64 no ho 29, ny MB2All, teo amin’ny sokajy vehivavy. Isa 68 no ho 45 kosa no nandavoan’ny JCBA ny ACMBA, teo amin’ny lehilahy. Hatao ny 5 hatramin’ny 8 […]
Mois : septembre 2024
COSTM Judo Club : nahazo medaly tamin’ny “Tournoi de Capricorne”
Tsara ny vokatra ho an’ny COSTM Judo Club nandritra ny fifaninanana “Tournoi de Capricorne” natao tany Toliara, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo medaly 17 be izao (volamena 7, volafotsy 8 ary alimo 2) ny mpikatroka nisolontena ity klioba sangany ao Toliara ity. Raha ny filaharana kosa, laharana faharoa no misy […]
Barea de Madagascar : efa any Tunisie ry Loic sy Tsiry ary Berajo
Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, nigadona omaly, any Tunisie, namonjy ny fampivondronan’ny Barea de Madagascar i Loic Lapoussin sy i Tsiry ary i Berajo. Efa niatrika ny fanazarantena niaraka tamin’ireo namany i Lapoussin. Tsy mbola nanao izany kosa ry Berajo sy i Tsiry, noho ny fahatongavan’izy mirahalahy tamin’ny […]
Padel – « Island Cup 2024 » : hifandona amin’i Madagasikara voalohany i Maurice
Ho tonga eto Madagasikara, anio, ny delegasionan’ireo firenena roa, La Réunion sy i Maurice, izay mandray anjara amin’ny fifanintsanana “Island Padel Cup”. Ry zareo maorisianina sy ny Malagasy no hanokatra ny fifaninanana. Hotanterahina manomboka rahampitso ka haharitra hatramin’ny 7 septambra, eny Soavina Atmosphère, ny andiany voalohany amin’ny fifaninanan’ny Nosy, “Island […]
Andiany Aina : Polisy 302 nahazo fisondrotana galona
Notontosaina teny amin’ny Toby Contrôleur général de police Razafindrazaka Berthin, Antanimora, omaly, ny lanonana fametrahana galona « Agent de police de premier échelon » ho an’ireo agents de police nivoaka tamin’ny andiany Aina. Miisa 302 mianadahy izy ireo no nahazo izany galona izany. Ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny Contrôleur général de […]




