Mois : septembre 2024

Ady amin’ny famarinana olona : mitohy ny fampiofanana ireo tomponandraikitra

Manohy ny fampiofanana ireo tomponandraikitra mahakasika ny ady amin’ny famarinana olombelona ny Biraom-pirenena misahana ny ady amin’ny famarinana olona. Teto Antananarivo no nanombohana izany, ny volana aogositra lasa teo. Mpisehatra sosialy mifandray sy misahana akaiky ireo olona tena iharan’ny famarinana miisa 22 no nisitraka izany fiofanana izany. Nahitana ny avy […]

Peace Corps Madagascar : 9 mianadahy hilatsaka an-tsitrapo hampianatra

Mihatonga tsikelikely ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina na ny Peace Corps Madagascar hanampy amin’ny asa fanabeazana sy ny fambolena ary ny fahasalamana eto an-toerana. Niampy 9 mianadahy indray izy ireo, ankehitriny. Mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina (Peace Corps Madagascar) 9 mianadahy indray no nanao fianianana, ny faran’ny herinandro teo, hanatevin-daharana ireo efa am-perinasa […]

LTP Alarobia: misokatra ny fampiofanana ho teknisianina photovoltaïque

Hisokatra eny amin’ny Ly­cée teknika Alarobia (LTP), amin’ny taom-pianarana 2024-2025, ny fiofanana ho teknisianina amin’ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro (photovoltaïque). Hianatra mandritra ny valo volana, izay hanomboka ny volana oktobra izao, ireo mpianatra ka atao any amin’ny toeram-pianarana ny 40% ny fiofanana, raha atao eny anivon’ny orinasa mpiara-miombon’antoka […]

Sendikan’ny indostria eto Madagasikara : mitondra fanavaozana anatin’ ny tranokalany

Manakaiky ny orinasa sy ireo mpisehatra samihafa ny Sendikan’ny indostria eto Ma­dagasikara (Sim) ka nitondra fanavaozana ao anatin’ny tranokalany. Tanjona apetraky ny Sim ny hampiroborobo ny toekarena amin’ny alalan’ny in­dostria. « Dingana goavana amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny indostria ny fanavaozana ny tranokalan’ny Sim. Hampahafantatra bebe kokoa momba ireo mpikambana sy […]

Fandraharahana: Hiara-hiasa ny Mic sy ny Gem

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic) vaovao, Ralambofiringa David, ny filohan’ny vondron’ny orinasa eto Madagasikara (Gem), Rabarijohn Francis, ny herinandro teo. Voaresaka manokana ny fanamby sy ny laharam-pahamehan’ny sehatra tsy miankina ary ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Voaresaka koa ny fiarovana ny indostria […]