Mois : septembre 2024

Handalo an-tanindrazana: manomana seho goavana indray i Lalatiana

Rehefa afaka, mandalo an-tanindrazana i Lalatiana. Nandray anjara tamin’ny « Nosy Boraha Jazz Festival » tany Sainte Marie izy tamin’ny taon-dasa. « Cabarets » in­droa tao amin’ny Piment Cafe kosa no azony natolotra teto Antananarivo tamin’io fandalovany io. Efa tamin’ny taona 2022 anefa ilay seho goavana, « Nofinofy mamy » niarahany tamin’ i Rija […]

« Fialantsasatra kanto » : niisa 70 ireo nisitraka fiofanana momba ny fanaovana sary

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanabeazana sy mikolo ny saina ny fiangaliana ny zavakanto. Tsy vitan’ny fananana talenta fotsiny anefa izany, ilaina ny mamantatra ny fenitra eo amin’ny fanaovana sary mba hahatonga­vana eo amin’ny sehatry ny matihanina. Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Ana­la­kely, nanomboka omaly ary hitohy anio, ny […]

Otra mipetraka: hanatsarana ny fikorianan’ny ra ao anatin’ny vatan’ny olombelona

Mahaliana ny an­kamaroan’ny Ma­la­­gasy ny otra, mba hitsaboana ny aretina samihafa eo amin’ ny vatana. Ma­no­di­dina ny adiny roa eo ny fotoana la­ny amin’ny fa­nao­vana izany, amin’ny ankapobeny. Teknika vao­vao manampy sy manatsara ny fikorianan’ny ra ny otra mipetraka. Tamin’ny fotoanan’ny vala­naretina, tsy dia nandaitra tamin’ny vatan’ny olombelona ny otra […]

FANTINA sy FINTINA

Fanakiviana sy fanilihana ankolaka ireo kandidà ny fanasarotana ny dosie firotsahan-kofidina ben’ny Tanàna, araka ny nambaran’ny depiote, Gascar Fenosoa. Nanteriny fa misedra olana ny ankamaroan’izy ireo. “Sarotra sy be loatra ireo antontan-taratasy takina amin’ny firotsahan-kofidina ka ahina hiala an-daharana ny sasany”, hoy izy. Nanambara ny haha kandidà ben’ny Tanànan’i Toamasina […]

Depiote Rajerson Antoine – FAKANA AN-KERINY : tsy fisian’ny fanabeazana no mahatonga izany

“Misy zavatra be dia be tokony hojerena ny tontolo ambanivohitra. Tsy misy na fanabeazana, na lalam-barotra, na fihariana amin’ny fambolena sy fiompiana… “, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny tsy miankina Fivoi, Randriamampianina Rajerison Antoine, momba ny trangana fakana an-keriny tany Anjozorobe. Vokatr’izay, misy zaza tsy […]