Mois : septembre 2024

Fiarovana ny antsantsa sy makoba: natsangana ny drafitra nasionaly ho an’ny fitantanana lovain-jafy

Napetraka ny Drafitra nasionaly ho an’ny fiarovana sy fitantanana lovain-jafy ny antsantsa sy ny makoba (PNCGDRR) eto Madagasikara mba hiantohana azy ireo, noho izy ireo miantoka ny tontolo an-dranomasina. Nampahafantarany oma­ly, teny Antanina­renina, ny Drafitra nasionaly ho an’ny fiarovana sy fitantanana lovain-jafy ny antsantsa sy makoba (PNCGDRR) eto Ma­dagasikara. Harena […]

Tahirimbola FEL: Tazonina vonjimaika am-ponja ny tale jeneraly

Maromaro ny olona voarohirohy amin’ny fanodikodinam-bolan’ny Tahirimbola ho an’ny fiompiana (FEL). Nisy ny fanadihadiana nataon’ny Bianco, ka voampanga amin’ny raharaha kolikoly miisa enina tamin’ny taona 2022 izy ireo, izay mitentina 260 tapitrisa Ar. Toy ny fanomezana tse­nambaro- panjakana amin’ny famatsiana akanjo, kojakoja sy fitaovana teknika amin’ny fampanarahana biby fiompy. Taorian’ny […]

Menabe Antimena: fisorohana ny afo any amin’ny alan’i Kirindy

Nidina tany amin’ny faritra Menabe ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), i Fontaine Max Andonirina, ny 30 aogositra teo. Nisy ny fihaonany tamin’ireo mpisafo ala, ny mpitantana ny alan’i Kirindy ao anatin’ny Faritra Arovana Menabe Antimena (Apma) ary ny mpianala ao anivon’ny Fitantanam-paritra, Dredd Menabe. Nankaherezin’ny […]

Tetikasa Produir: Vita ny fanarenana ny vahilavan’ Ikopa sy i Sisaony

Ampahany voalohany amin’ny asa ataon’ny tetikasa Produir ho fiarovana an’Antananarivo amin’ny tondradrano ny fanarenana ny vahilavan’Ikopa sy i Sisaony. Vita tanteraka ny asa, ankehitriny. Mitombo izaitsizy ny mponina amin’ny tapany atsimon’Antananarivo Renivohitra. Nohazavain’ny mpandrindra ny Tetikasa fampandrosoana ny tanàn-dehibe sy ny fiarovana an’Antananarivo (Produir), Rasolo­fojaona Haja, fa anisan’ny fotodrafitrasa miaro […]

TARATRY ny KANTO

Miditra amin’ny andiany fahatelo ny “Nofy maitso, Festival de Slam poèsie et écologie”, karakarain’ny Alliance Française de Madagascar, miaraka amin’ny Madagaslam. Efa mandeha ny fifantenana isam-paritra amin’izao. Roa isaky ny faritany no hiatrika ny dingan’ny famaranana atao any Toamasina, ny 30 septambra 2024 hatramin’ny 6 oktobra 2024. Hiaka-tsehatra mandritra ny […]