Mois : septembre 2024

D2 Nasionaly : fantatra ny ekipa tafita tany Ambatondrazaka

Notontosaina omaly, tany Ambositra sy Ambatondraza­ka, ny andro faran’ny dingana faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa nasionaly, “World Cola Ligue des Champions 2024”. Ny klioban’ny FC Theo Sava sy ny AS Fos Ana­lan­jirofo, no tafavoaka any amin’ ny “Poule des AS”, tao amin’ ny vondrona […]

TARATRY ny KANTO

Namoaka fanambarana tao anaty tambajotran-tserasera ny orinasa mpamokatra horonantsary, Ny Avoko Production, omaly, fa tsy nodimandry i Babiche, mpilalao horonantsary ao amin’izy ireo. Araka ny fanazavana nataon’izy ireo hatrany, manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ity vehivavy ity. Nifarana omaly, tany Nosy Be, ny “ Nosy Be Symphonies” andiany faha-9. Teny […]

« Antanin’art enina » : anjaran’ny mpiangaly « Slam » indray izao

Tontosa omaly, teny amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny Slam Sauvage, tao anatin’ny “Antanin’art enina”. Hetsika ara-javakanto, tanterahina isaky ny alahady eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Ny Slam indray no nandravaka ny sehatra teny an-toerana, tamin’ny andron’ny omaly. Misokatra ho an’ny rehetra izy ity, natao hampiroboroboana ny zavakanto, indrindra ny literatiora am-bava, mahaliana ny tanora […]

Horonantsary fanadihadiana : misongadina aty Afrika i Felana Rajaonarivelo

Anisan’ireo Malagasy mpanatontosa sarimihetsika i Felana Rajaonarivelo. Niantoka izany fisongadinany izany ny horonantsary fanadihadiana “Debout!”. Handray anjara amin’ny “11 ème Emergence Film Festival” ao Lomé, Togo, tanterahina ny volana novambra izao, i Felana Rajaonarivelo, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika sy mpaka saripika. Amin’ny alalan’ilay horonantsary fanadihadiana notontosainy, nampitondrainy ny lohateny hoe “Debout!” […]