Mois : septembre 2024

Asa fibatana entana: vanim-potoana tsy fisian’ny asa izao

Volana tsy mampisy ny asa fibatana entana ny volana aogositra hatra­min’ny oktobra, araka ny namba­ran’ireo mpibata entana eny Ano­sibe. Miverina mi­habetsaka kosa izany manomboka ny volana novambra hatramin’ny janoary, noho ny fiakaran’ny voankazo maro samihafa. Mibata entana eny amin’ ny tsenan’Anosibe no asan-dRakotoniaina Bruno. 5 taona izay no nanaovany ity […]

FANTINA sy FINTINA

Nomen’ny birao politikan’ny MMM toromarika ireo ho kandidà ben’ny Tanàna avy amin’ity antoko ity, ny herinandro teo, teny Ankerana. Samy nahatonga solontena avokoa ireo distrika mandrafitra ny faritra Analamanga. Voaresaka ny momba ny fikarakarana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina sy ny momba ireo dingana samihafa, aorian’izany. Hihaona amin’ireo mpirotsaka hofidina ny ao […]

Filohan’ny Antenimierandoholona : “Fakan-tahaka ny La 13 tao amin’ny Acmil”

Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tetsy Anosy, ny Jly Ahmed, ny herinandro teo. Teratany Nigeria­nina izy io. Manamboninahitra nivoaka tamin’ny andiany faha-13 “La 13” tao amin’ny Akademia miaramila (Acmil) Antsirabe, niara-nihira tamin’ny filohan’ny Antenimieran­do­holona. “Ohatra tsara azon’ireo manamboninahitra zandry, mbola am-perinasa alaina tahaka ny fihavanana tsy ravan’ny taona […]

Asa ihany no mahavelona

  Tanjona voalohan’ny fitondram-panjakana amin’izao ny fampihenana ny fahantrana misy sy iainan’ny vahoaka, araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fanolorana ny governemanta. Eo koa ny fampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka. Hanao ahoana? Ny vahoaka izany no vaindohan-draharaha sy laharam-pahamehana, anisan’ny antom-pisian’ny fitondram-panjakana amin’izao fe-potoam-piasana izao. Sady hahena ny fahantrana no hampiakarina […]

Fiombonana : “Lasa misy fifanitsahana andraikitra eo amin’ny governemanta”

Iangaviana ny tomponandraikitra, indrindra ny lehiben’ny governemanta, mba hametraka izay tena andraikitra sahanin’ny sekreteram-panjakana sy izay andraikitra sahanin’ny minisitra. “Lasa miteraka fifanitsahana andraikitra izay eo anivon’ny fitantanana minisitera iray”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiom­bonana, Retogniane Durlin, momba ny fisian’ny minisitra sy sekreteram-panjakana misahana raharaha iray eo anivon’ny […]