Miaramila zazavao naiditra am-ponja, afakomaly, noho ny famonoana teratany vahiny iray tao Toamasina. Nahazo fahafahana ny olona roa mpiambina tsy lavitry ny trano fandraisam-bahiny iray nitrangan’ny vono olona ny 19 aogositra lasa teo. Miroso amin’ny fisamborana ireo voasaringotra amin’ny fakana an-keriny ao Anjozorobe ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Olona iray […]
Mois : septembre 2024
Ankadikely- Ilafy : renim-pianakaviana voatifitra
Nidiran’ny bala teo amin’ ny tratrany havia ny mpanao Cash point iray teny Manjaka, kaominina Ankadikely-Ilafy, ny harivan’ny zoma 30 aogositra teo. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireo tsy valahara. Niandry kendry tohina ilay ramatoa mpanao Cash point ka nanery azy hanome ny vola rehetra azo nandritra ny tontolo andro. Tsy […]
Ambatondrazaka: mpisoloky efatra voasambotra
Olona efatra nilaza ho mahay mampitombo vola avo telo heny voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Ambohimasina, kaominina Ambatondrazaka, afakomaly. Tafiditra tao anatin’ny vela-pandrika nataon’ireo mpisoloky ny renim-pianakaviana iray. Nahazoan’izy ireo vola nitentina 3 tapitrisa Ar io ramatoa io. Tsy hita intsony anefa ireo mpanambaka andro vitsy taorian’io. Nametraka fitoriana […]
4×4 sy taksiborosy nifandona : efa-mianaka niara-maty
Olona efatra niara-namoy ny ainy teny Ambohimangakely. Vokatry ny fifandonan’ny fiara tsy mataho-dalana sy taksiborosy, ny alin’ny 31 aogosotra teo. Fiara tsy mataho-dalana nifandona tamin’ny taksibrosy teo amin’ny PK 10+ 100, fokontany Behitsy, kaominina Ambohimangakely, afakomaly. Nandeha mafy ny fiara 4×4 iray. Tsy nahafehy ny fitaovana nentiny ny mpamily kinanjo […]




