Mois : septembre 2024

Fitantanana ny fako : hakaton’ny fanjakana Andralanitra

Manomana ny fanakatonana ny toerana fanatobiana fako eny Andralanitra ny fanjakana sy ny kaominina Antananarivo, amin’izao fotoana izao. Hisy tetikasa lehibe hotanterahina eo amin’io toerana io, izay hiarahana amin’ny mpiray ombon’antoka. Efa tratra ny fetra azo handraisana fako eny Andralanitra ka tonga ny fotoana hanakatonana azy tanteraka, hoy ny PDS-n’ny […]

CUA sy ny ONG KFHI: hikarakara ny fahasalaman’ny mpianatra amin’ny boriborintany telo

Niampy ny tetikasa entina hanatsarana ny fahasalaman’ny mponina sy ny fanabeazana ho olom-pirenena eto Antananarivo Renivohitra. Haharitra 10 taona ny tetikasa iarahana amin’ny koreanina tatsimo. Hanampy amin’ny fana­tsarana ny fahasalaman’ny kilonga eny amin’ ny EPP anatin’ny boriborintany telo eto an-dRenivohitra ny ONG koreanina Korea food for the hungry international (KFHI). […]

Rakotondravelo Hajatiana Martin : ho kandidà ben’ny Tanànan’ i Talatamaty

Tontosa omaly, teny amin’ ny biraon’ny Ovec Ambohi­dra­trimo, ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidian-dRakotondravelo Hajatiana Martin. Ao amin’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohi­dratrimo, izy no nirotsaka ho ben’ny Tanàna, ary amin’ny alalan’ny tsy miankina. Ankoatra ny fahareseny lahatra manokana sy ny fahatsapany ny zava-misy iainan’ny kaominina, nanosika azy hirotsaka hofidiana koa ny fangatahan’ireo […]

Parlemantera Malagasy sy Sinoa: hivelatra ny fiaraha-miasan’ ny roa tonta

Nitsidika ny Antenimieran­doholona malagasy, eny Ano­sy, ireo delegasionina Sinoa, ahitana parlemanta avy amin’ny « Assemblée populaire de Chine », omaly. Fitsidihina tafiditra ao anatin’ny fivahinianany eto Madagasikara. An­koatra ny fitsidihina ny La­pan’ny Antenimierando­holo­na, nisy ihany koa ny tafatafa teo amin’ny tomponandraikitry ny Antenimierandoholona ma­l­a­gasy sy ireo Parlemanta Sinoa ireto. Tao anatin’izany no namelabelarana […]

Fivoriambe faha-79 ny Firenena Mikambana : niantso ny rehetra hiray hina sy hiombona i Antonio Guterres

Nifantoka kokoa tamin’ny fanentanana ireo mpitondra fanjakana hitambatra ho tombotsoan’ny taranaka ho avy sy fametrahana hoavy tsaratsara kokoa, ny lahatenin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana. Tanterahina any New York, ny 22 hatramin’ny 27 septambra 2024, ny fivoriambe faha-79 ny Firenena mikambana. Nandritra ny ka­barin’i Antonio Guterres, Se­kre­tera jeneralin’ny Firenena mikambana no […]