“Ny zava-misy dia tsy mila korontana intsony ny vahoaka malagasy.”, hoy ny loholona Andrianandrasana Tahina Hajaniaina, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’ny fiatrehana fifidianana kaominaly. Efa niainana izany, nanomboka ny taona 2018. Hatramin’izao, miditra ao anatin’ny fahamatorana demokratika i Madagasikara. Matoa ny iraisam-pirenena toy ny Sadc sy ny Firenena mikambana (ONU) mametraka […]
Mois : septembre 2024
Korontana… tombontsoa
Hanao ahoana ihany izao fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina izao. Tsy takona afenina, tsy ilaozan’ny tahotra sy fanahiana korontana. Mby amin’izay nitaizan’ny sasany saina hatramin’izay hoe krizy politika mialoha na mandritra ny fifidianana? Sanatria… Misy ny manao vava tsy ambina amin’izany? Ny depiote mpanohitra aza efa niloa-bava tamin’ny fandranitana […]
Diplomasia : handray ny fihaonana an-tampon’ny COI i Madagasikara
Ankoatra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, handray ny fihaonamben’ny filoham-panjakana aty amin’ny ranomasimbe Indiana na COI i Madagasikara. Handray ny toerany anio kosa ny sekretera jeneraly, Edgard Razafindravahy. Hampiantrano ny fihaonana an-tampony faha-5 ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara, ny fiandohan’ny taona ho avy. Ho ambohi-pihaonan’ireo filoham-panjakana ny any Nosy-Be Hell […]
TSELATRA
Lavon’ny tifitry ny polisy tetsy Ambodinisotry Radadatoa, jiolahy mpanao fanafihana eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Taorian’ny nahasamborana azy, nitarika ny mpitandro filaminana hitoroka ny namany izy saingy nikasa handositra. Maty voatifitra taorian’izay. Renim-pianakaviana 60 taona hita faty tao Mandritsara, afakomaly. Niharan’ny fanolanana io ramatoa io vao novonoina, araka ny fizahana […]
Ambohidratrimo : lehilahy nahatrarana vola sandoka 40 000 Ar
Tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray mpanaparitaka vola sandoka tao amin’ny fokontany Ambohidehilahy, kaominina Ambohidratrimo, ny 28 septambra teo. Naharay loharanom-baovao avy tamin’ ny tsara sitrapo, nosavaina ny trano fonenan’io lehilahy voarohirohy io. Nahitana vola sandoka 5 000 Ar miisa efatra niampy 10 000 Ar miisa roa tao aminy. Nihazona tombokase hosoka […]




