Nandray ireo delegasiona frantsay avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ireo ekipa avy ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena eto an-toerana ny minisitry ny Fampianarana teknika, tamin’ity herinandro ity. Tanjona ny hametraka fiaraha-miasa hampivoarana ny tontolo ambanivohitra sy ny fampiofanana ireo tanora misehatra amin’ny fambolena. Manampy ireo ny fifampizarana […]
Mois : septembre 2024
SEKOLY TELMA: Arifomba ny EPP ao Vatomasina
Notokanana omaly ny EPP Ampanonoma Vatomasina, ao amin’ny kaominina Vohipeno, faritra Fiovinany. Natao hahazaka rivodoza izay matetika mamely ny faritra Vatovavy ny efitranon-tsekoly namboarina. Ahitana efitrano fianarana miisa 7. Misy vovondrano ahazoana rano maharitra sy jiro mandeha amin’ny angovo azo havaoizina ihany koa ny sekoly. Etsy andaniny ny toeram-pivoahana sy […]
Ady amin’ny herisetra: naka traikefa ny vadin’ ny mpitandro filaminana
Haharitra roa taona ny tetikasa Hope (fanantenana), izay finiavana nentin’ny Henka Suru, mitondra any amin’ny fiovan’ny toe-tsaina. Vehivavy 300 mahery nisitraka ny fifampizarana avy amin’ny tetikasa. Nanolotra ny mariky ny fahavitan’ny asa voalohany ny vadin’ny filohan’ny Repoblika. Notoloran’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady reny mpiahy certificat ireo vehivavy nisitraka ny fifampizarana […]
“Plateforme Moozik” : hivelatra amin’ny hira sy mpanakanto vahiny
Vokatra iray nitera-bokatsoa ho an’ireo eo amin’ny sehatry ny mozika malagasy ny Moozik. Hisy ny fivelarana amin’ireo hira sy mozika vahiny. Omaly, nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nataon’ny tomponandraikitra maro samihafa, ahitana ny avy eo anivon’ny orinasa Manoova sy ny Universal Music ary ireo mpanohana maro samihafa mahakasika […]
FANTINA sy FINTINA
Nitsidika ara-pomba fifanajana ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, afakomaly, ny ambasadaoron’i Soisa, Sem Rolf Stadler, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fitsarana eo amin’ny firenena roa. Nilaza ny fahavononana amin’ny fitohizan’ny fiaraha-miasa ny vahiny. Nidina ifotony tany amin’ny faritra Melaky, afakomaly, […]




