“Tsy manaiky an’izany korontana izany intsony isika mponina eto Analamanga. An’i Madagasikara Analamanga, fa hita eto avokoa ny lafivalon’ny Nosy”, hoy ny sekretera nasionalin’ny TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Mahamasina, omaly, ny amin’ny fifidianana kaominaly, faritra Analamanga. Efa sahirana toy izao ve dia mbola hikorontana ihany? Sa […]
Mois : septembre 2024
Vehivavy vanona
Tetikasa iray, mendrika ny hotohanana sy haparitaka ny « Hope » na ny Fanantenana, natao hitari-dalana ny vehivavy ho sahy hijoro sy hanana fahatokisan-tena. Tsy ny tetikasa amin’ny maha tetikasa azy fa ny hevitra fonosiny sy ny tanjona tiany ho tratrarina. Mifototra amin’ny maha reny, mpiahy ny isan-tokatrano, andaniny. Ny reny […]
Fiatrehana fifidianana : hamoraina ny fahazoana fanamarinana fizakana zom-pirenena
Nisy ny filankevitry ny governemanta, afakomaly, nanapa-kevitra amin’ny fanentanana an’ireo rantsamangaika rehetra mikarakara fifidianana. Nisy ny taratasy nohamoraina ary novaina ny fanaovana azy: ny fanamarinana fizakana zom-pirenena. Izay raha fintinina ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny governemanta, ny minisitra Mara Volamiranty Donna, teny Anosy, omaly, ny amin’ny fahazoana ny taratasy fanamarinana fizakana […]
TSELATRA
Ramatoa iray tao anaty taxi-be no nezahin’ny mpanendaka nosintomina ny firavaka teny aminy, tetsy Anosibe, omaly. Tsy nahazo na inona na inona ilay olon-dratsy satria nanano sarotra ny nisintomany io firavaka io. Efa narahin’ny iray tamin’ireo mpandeha taxi-be maso rahateo io mpanao sinto-mahery io talohan’ny nikasany hanao ny fandrobana. Lasa […]
Avy namaky valan’omby : maty voatifitry ny zandary i Nesta Be
Lavon’ny balan’ny zandary, omaly alina, tao amin’ny kizon’Antaikankana, fokontany Ambohibemasoandro, kaominina Ambohitrolomahitsy, distrikan’i Manjakandriana, ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Nesta Be. Namaky fahitr’omby iray tao Ambohibemasoandry izy tamin’io fotoana io ka tsikaritry ny polisim-bohitra satria nirongo fitaovam-piadiana rahateo ireo dahalo nanafika. Nahazo fampandrenesana avy hatrany ny zandary […]




